Tena mahomby sy mahavita azy ka hahatonga ny olona hifidy an-dRajoelina amin’ny 2023 ve ny governemanta? Tsia avy hatrany no valiny amin’ny ankampobeny. Betsaka ny zavatra tsy voafehy sy tsy mandeha. Maro ny olona toa efa tsy mahavita na tsy voafehy intsony ao anaty Governemanta ka manao izay tena tiany. Raha hisy ny fanovana sy fikitihana dia hiditra amin’ny fanineniny tao anatin’ny 4 taona. Mety io no fanovana betsaka indrindra tao anatin’ny 60 taona. Na tian’ny Filoha na tsy tiany, toa efa betsaka ny manao izay tiany na tsy hitan’ny karatra firy intsony ao anaty governemanta, fa mety mampitombo ny ambaindain’ny fananany sisa. Misy minisitra manana andraikitra goavana amin’ny fandraisantsika hetsika lehibe iraisam-pirenena amin’ny taona 2023 saingy tsy hita popoka. Ireny niaraha-nahita ireny ny fisiana minisitra nesorina noho izy voalaza fa nanao izay saim-pantany tamin’ny safidy diplaomatika goavana nitondrana ny anaran’I Madagasikara. Iray volana latsaka taty aorian’ny nanesorana ny Minisitry ny raharaham-bahiny Atoa Richard Randriamandranto, mbola mpisolo toerana no mitantana ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny kanefa zavatra stratejika be sy mariky ny fiandrianam-pirenena. Endriky ny tsy fahamatoran’ny Fanjakana. Misy minisitra ahiana ho tompon’antoka tamin’ny fanjavonana volamena 36kg tao amin’ny departemanta notantaniny teo aloha, saingy mbola nomena minisitera hafa, ary tsy sahin’ny filoha kitihina. Misy minisitra hatry ny ela no manaratsy endrika ny Fanjakana manontolo, saingy tsy voahozongozona,… Inona no tsy hahasahian’ny Filoha mikitika sy manova izay tsy mahomby sa dia tena mahomby 100% ireo? Araka ny filazan’ny mpandinika politika, matahotra ny Filoham-pirenena satria mety hitombo ny fahavalo politika ary hitombo ny tsy fahamarinan-toerana raha mbola hanaisotra olona, ka aleo miaina amin’ny zava-misy. Isan’ny fandre matetika mikasika ny governemanta ihany koa moa tany aloha ny hoe: misy “quota”, misy mandoha “ekolazy” ka sao dia izany tokoa no tena manahirana? Raha haravona dia hoe: “ovaina mampiozongozona, avela mahabe vatan’orona”.
Toky R
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny