airtel

Politique

16-juin-2023

Politique

Governemanta sy depiote Hifety aloha vao handinika ny fiainam-pirenena

Sample post image

Aorian’ny 26 jona indray no heverina hanatanterahana ny fihaonana eo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

16-juin-2023

hanaovana ny adihevitra sy fametraham-panontaniana taorian’ny tatitra nataon’ny mpanatanteraka. Tokony ho natao ny 8-9 jona teo io, saingy nitsefotra noho ny tsy fahafenoan’ny Birao maharitry ny antenimierampirenena sy ny nanapahan’ny maro an’isa ny hanemorana amin’ny fotoana hafa. Hatramin’ny Filohan’io andrim-panjakana io aza moa nandeha tany ivelan’i Madagasikara indray, tahaka ny efa nataony izay tsy nanatrika ny fanaovana tatitra sy famelabelarana nosantarin’ny Praiminisitra ny 24 may lasa teo. Toa miharihary hatrany ny krizin’andrim-panjakana na lazaina foana fa manana ny maro an’isa aza ny volomboasary. Ny maro an’isa no voalaza fa nangataka ny hanemorana ny fihaonana sy ny adihevitra ho aorian’ny fankalazana ny fetim-pirenena. Hifety aloha izany vao handinika ny raharaham-pirenena. Sady efa mpingitrika ny 80%, tsy miasa mandava-taona, mbola mangatak'andro ihany. Isika anefa firenena faran’izay mahantra. Ny fivorian’ny Birao maharitra ny talata ho avy izao no re fa hanapaka ny daty hanatanterahana ny fihaonana indray. Raha hiverenenana, efa tsy raikitra ny fihaonana tokony ho nanadinan’ny solombavambahoaka ny mpanatanteraka tamin’ny fivoriana ara-potoana ny desambra 2022, izay nifanandrify tamin’ny disadisa momba ny fitsipaham-pitokisana. Mbola misy antenaina hitondra vokatra lehibe eo anatrehan’ny olam-bahoaka sy ny firenena ankehitriny ve ny fihaonana sy ady hevitry ny roa tonta sa fombafomba sisa? Isan’ny manamarika ity fivoriana ara-potoana iray ity indray ihany koa ny tsy hisian’ny fanovana sy fanintsiana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2023. Nilaza ny Fanjakana tao anatin’ny Filankevitry ny Minisitra fa 48% ny fampiasam-bola tamin’ity taona ity, ary mbola misy 52% azo ampiasaina ka tsy ilàna fikitihana lalàna. Etsy andaniny, ahoana no ahafahan’ny solombavambahoaka mandrefy ny asa vita marina tao anatin’izay fandaniana ny 48% amin’ny tetibola izay? Tsy vao 10% ve dia efa hisy tombana sy fanaraha-maso raha mifanaraka tokoa na tsia ? Hanaiky lembenana ny depiote sa mba hitaky zavatra marim-pototra kokoa ? Maro ihany koa ireo toe-javatra goavana mety mampametra-panontaniana ny vola hoenti-miatrika sy manatanteraka azy toy ny fifidianana izay 45 miliara mahery teo no tao anatin’ny tetibolam-panjakana, saingy ny tatitry ny CENI ny 13 jona lasa teo dia naneho fa 45,3 miliara Ar no lany tamin’ny fanaovana ny lisi-pifidianana fotsiny. Marina fa nambara ny fisian’ny dingana samihafa azo atao amin’ny famoaham-bola raha misy ny filàna voamarina ho an’ny andrim-panjakana na rafi-panjakana saingy mampanahy be ihany. Efa milamina ve ny vola hiatrehana fifidianana eo anatrehan’ny hoe : 143 miliara Ar teo ny fangatahan’ny CENI raha toa ka 70 miliara Ar ny fangatahana nataon’ny Fanjakana tamin’ny Vondrona Eoropeanina ? Manao ahoana ihany koa ny fandaniana momba ny lalaon’ny Nosy sa ny tetibolan’ireo Minisitera tsirairay izay miahy ireo taranja andraisana anjara no hakana izany ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap