airtel

Politique

19-août-2024

Politique

Governemanta tsy mety terakaFanjakana tena milalao fiainam-bahoaka…

Sample post image

Ao anatin’ny fanaovana tombana na «évaluation» ireo minisitra efa teo, ankehitriny,

19-août-2024

ny tenako sy ny praiminisitra, hoy ny filoham-pirenena malagasy, Andry Nirina Rajoelina, ny faran’ny herinandro teo. 1 volana mahery izany tsy vita tombana ihany ny governemanta efa tsikerain’ireo mpandinika sy mpanao politika ary mpanara-baovao maro fa sady efa lany daty no mbola sady tsy nahavita azy. Tombana tahaka ny ahoana izany ilay atao ao anatin’izao fandaharan’ny sehatra iraisampirenena toy ny FMI sy ny banky iraisampirenena ny laharana misy an’i Madagasikara izay any amin’ny farany aoriana indrindra izao na eo amin’ny lafiny ara-toekarena io na fampandrosoana ankapobeny mihitsy? Tsy efa miharihary ve ny fahapotehan’ny lalana manerana ny nosy sy ny fijalian’ireo mpampiasa izany lalana izany? Tsy efa miharihary ve ny tsy fahitàna vahaolana momba ny JIRAMA na ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny tsy fahatomombanana maro samihafa na eo amin’ny lafin’ny fitaterana io na lafiny tsy fandriampahalemana? Ny harem-pirenena ireny mbola mitohy tafiondrana an-tsokosoko, efa any amin’ny firenen-kafa foana vao fantatra hoe tafavoaka teto. Tsy hoe mpikambana vaovao mahavita fahagagana na mirakla mihitsy ve moa ilay ho karohina atao minisitra sa ho marina ihany izany ny tomban’ny mpanara-baovao sasany hoe ireo miisa 7 niova andraikitra rehefa avy lany depiote sy lasa filohan’ny COI na kaomisionin’ny ranomasimbe indianina ihany no ho soloina? Inona izany no tombana mikasika resaka olona mbola tokony ho atao amin’izao vokatra miharihary efa fantatr’izao tontolo izao fa niteraka fahantrana lalina ho an’ny firenena izao? Efa tena reraka izahay, mila vahaolana, saingy toa mpitondra fanjakana mandeha lava any ivelany sy mibikabika etsy sy eroa no hitanay, hoy ny ankamaroan’ny olom-pirenena tsotra izay nakana hevitra. Izany ve tsy tena filalaovana ny fiainam-bahoaka sy ny fiainam-pirenena , hoy izy ireo . efa tena mihatra aman’aina ny fahasahiranana amin’izao fotoana fampidirana mpianatra izao fa dia mbola hoe manao tomban’ezaka aloha ry zareo ao an-dapa. Mahavalalanina a .
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap