izay ahiana ny fitantanam-bola tsy araka ny tokony ho izy, ankoatra ilay Tale Kabinetran’ny faritra, izay nilanja basy tany amin’ny kaomisaria namoaka ny mpiasany izay nandika lalàna. Ity farany izay efa nesorina tamin’ny toerany, saingy tsy tapitra teo ny raharaha Melaky. Niporitsaka ny dosie milaza ny fandaniana fahana finday mitentina 84 tapitrisa Ar ny fitambarany, ny volana jolay, izay disoin’ny voatonontonona fa tsy tao anatin’ny iray volana io. Miisa 127 ireo Mpiasa miasa eo anivon’ny faritra ary raha totaliana dia manodidina 65.000.000 ar isam-bolana ny karaman’izy ireo kanefa tsy misy raha manjary any an-toerana, hoy ireo mpanatsikafona, izay nilaza fa ramatoa vadin’ny Governora no mampiditra sy mametraka ireo mpiasa ao amin’ny Faritra Melaky. Vola 300.000.000 ar ihany koa no nivoaka tao amin’ny tahirimbolam-panjakana izay nolazaina fa hanamboarana làlana rarivato na “Pavé” kanefa hatramin’ny anio tsy vita ny asa. Mizara 3 moa ny “pave” izay samy 100.000.000 ar avy, ka ny iray 400 m no mba vita kanefa efa namoahana vola 100.000.000 ar, ny iray 200 m no vita kanefa efa namoahana vola 100.000.000 ar ihany koa, ary ilay farany moa dia tsy misy akory fa natao hakana vola 100.000.000 ar ho famenony, hoy hatrany ny fanamarihana. Raha ny hita eny amin’ny tambazotran-tserasera, navoakan’ny mpanao gazety Fernand Cello sy Poussy Best ny horonam-peon’ny vadin’ny governoran’ny faritra Melaky miangavy azy ireo hanatsahatra ny famotsipotsirana ny vaovao momba ny raharaha Faritra Melaky. “Inona ity miantso karazan'olona hiteny anay tsy hanohy ny famoahana vaovao sy hamafa publication ity ry MELAKY a?”, hoy I Poussy Best omaly. Raha toa ka tsy mitombina na fanalam-baraka no nataon’ireo mpanao gazety, mety tsy ho izay no niseho fa fitoriana. Mitombina ve ireo raharaha matoa miantso ny hanatsaharana ny famoahana azy? Asa indray izay ho fanapahan-kevitra ao anatin’ny filankevitry ny minisitra anio, fa raha ny feo mandeha dia mety hanara-dia ny governoran’Alaotra-Mangoro nesorina tamin’ny toerany ny Governoran’I Melaky Atoa Ratsitohara Patrick. Ny Filoham-pirenena no isan’ny naneho tany amin’ny fiandohan’ny taom-piasany fa tsy handefitra na kely aza (tolérance zéro) amin’ny fanodinkodinana volam-panjakana ka asa na hiaro izy eto na tsy handefitra tokoa ?
Toky R
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny