Avoko Rakotoarijaona fitetezam-paritra mba ahafahana mihaino sy miady hevitra amin'ny mpikambana manerana ny Nosy. Raha ny faniriana sy ny hetahetan'ny mpikambana eny ifotony ho an'ity Antoko izay efa niorina ara-panjakana tamin'ny 2009 ity dia i Grand Maître Avoko mihitsy no tokony hirotsaka ho mpifaninana amin'ny fifidianana Filoham-pirenena, saingy namaly avy hatrany ny Filohan'ny "MAF" fa tsy mbola amin'ity fifidianana ity no hirotsahany, saingy ho fantatra amin'ity faran'ny herinandro ity kosa ny kandidà izay ho tohanan'izy ireo. Manana ny soatoavina sy ny vinam-piarahamonina mampiavaka azy ny antoko ka izay kandidà mitovy fijery aminy mba hanohizana ny "MIFOHAZA ry GASY" no safidiana, toy ny hoe vinan'ny fanapariaham-pahefàna tena izy (ara-bola, ara-drafitra), ny fahaleovan-tena ara-tsakafo, ny fandrosoana amin'ny fotodrafitr'asa sy ny teknolojia mba tsy ho tara manaraka ny fanatontoloana, manaiky ny maha-zava-dehibe ny olombelona Malagasy alohan'ny zava-drehetra, olom-baovao mbola tsy nahenoana afera maloto, avara-pianarana sy manam-pahaizana ary fahendrena. Ny Antoko Madagasikara Afaka "MAF" dia manana olom-boafidy mpanolotsaina amin'ny kaominina vitsivitsy manerana ny Nosy ary miomana amin'ny fandraisana anjara feno amin'ny fifidianana ho avy toy ny solombavambahoaka, Ben'ny tanàna. Nanamarika hatrany ny Grand Maître Avoko fa efa rà mikoriana ao anatiny ny Fitiavan-tanindrazana ka tsy afaka ny hitazana fotsiny ny zava-misy eto amin'ny Firenena izy.
Nangonin’i RTT
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,