airtel

Politique

19-juin-2023

Politique

Hajo Andrianainarivelo «Filohan’ny tetezamita izy no nanao fangatahana zom-pirenena hafa»

Sample post image

Nahazo zom-pirenena frantsay ny filoham-pirenentsika ny taona 2014, hoy ny filohan’ny antoko politika Malagasy

19-juin-2023

miara-miainga na MMM nandritry ny fitsidiham-paritra nataony niaraka tamin’ity antoko ity tao Ihosy ny faran’ny herinandro teo. Matoa ianao nahazo dia nangataka, hoy izy. Raha 2014 izy no nahazo dia 2013, fony izy mbola filohan’ny tetezamita, izany izy no nanao ny fangatahana. Mila mitondra fanazavana amin’izany izy. Ahoana no inoako sy hahafahako miheritreritra fa tena voaaro ity tanindrazana ity raha filoha am-perinasa no mangataka zom-pirenena vahiny? Izay no olana. Tsy azo ampitoviana amin’ny olon-tsotra te hanana zom-pirenena hafa ny filoham-pirenena. Mahavariana ny adihevitra miseho amin’izao. Ampitoviana amin’ny mpanao baolina kitra na mpanao basikety ilay filoham-pirenena. Filoham-pirenena no resahana eto. Ilay olona tokana hiaro ny tombontsoa sy fiandrianam-pirenen’i Madagasikara. Aoka tsy ambanimbaniana ohatran’izany ny asa masina atao hoe asana filoham-pirenena fa mandrava firenena izany! Na iza mikasa hitondra an’ity Madagasikara ity ka manana heritreritra an’izany dia toherinay ato amin’ny MMM, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap
20-mai-2025

Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009

Card image cap
19-mai-2025

Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany

Card image cap