Fantatro, hoy izy, fa mbola nisedra zavatra maro tsy tambo isaina isika tamin’iny 2022 iny. Tsy hataontsika mahakivy anefa izany fa ho raisina ho hery lehibe sy hakana lesona ho any amin’ny fahombiazan’ny taona 2023. Kihon-dalana lehibe ho an’ny firenena ny taona 2023. Iaraha-miaiky fa raha ny zava-misy ankehitriny no tohizana dia ho tsarain'ny taranaka fara aman-dimby mafy dia mafy eto isika. Mila fahasahiana isika, noho izany, hiara-hanetsika hambom-po, hanitsy famindra ary hiaina indray ireo soatoavina maha malagasy antsika dia ny firaisankina, fihavanana, fahasahiana hanilo hanazava ny lalantsika. Hanavao ny fiainana isan-tokantrano mba ho tena fiadanana sy heniky ny fifankatiavana ny tanin-janantsika. Tomponandraikitra isika. Manana adidy hiova lalana mankany amin'ny fiainana tsaratsara kokoa. Ho amin’ny hoavy tsaratsara kokoa. Ry malagasy havako! Iriako ho taona miavaka ho an’ny isam-batan’olona ny taona 2023 ka ahafahantsika mihaona sy mifaly amin’ireo olona akaikin’ny fontsika rehetra fa indrindra ahafahantsika manatanteraka ireo nofinofintsika tsirairay avy. Mamintsika loatra I Madagasikara. Tsy maintsy miarina ny tanin-janaka, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny
Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany