hoy ny filoha nasionalin'ny antoko politika Malagasy Miara Miainga, Hajo Andrianainarivelo, nitsidika an’i Farafangana, faritra Atsimo Atsinanana. Mila politika sahisahy ny fitantanana ny firenena ary ilaina ihany koa ny fanomezana fahefana ireo olom-boafidy sy olom-boatendry isan-tokony, hoy izy. Iray amin'ireo vinan'ny Malagasy Miara Miainga ny hametraka ny fitsinjaram-pahefana ho foto-pisainana sy fomba fiasa ampandraisana anjara ny mpisehatra rehetra eny ifotony. Mila hajaina ny lalana mba hipetrahan'io fitsinjaram-pahefana io. Isan'ny vato misakana amin'ny fampandrosoana ny firenena matetika ny fisian'ireo olom-boatendry isan-tokony toy ny governoram-paritra izay tsy voafidim-bahoaka ka ireto farany indraindray izay tsy mahalala ny tena filana eny ifotony, hoy hatrany izy. Nitohy tao Mananjary ny fitsidiham-paritra. Miantoka ny fampandrosoana ny firenena sy ny fampivoarana ny toe-piainan'ny vahoaka malagasy tsy vaky volo ny fitsinjarana ara-drariny ny volam-panjakana sy ny fanamafisana ny fahaiza-manao eny ifotony, hoy izy tao Manakara. Fototra iray lehibe tsy nampandroso ny firenena ny fanaovana tantely afa-drakotra ny volam-bahoaka. Teboka lehibe ahafahana mitondra fampandrosoana ny firenena ny fametrahana mazava ny fitsipika mifehy ny fitantanana ny volam-panjakana eo anivon'ny sampandraharaha isan-tokony, hoy hatrany izy. Nihaona tamin'ireo mpikambana eo anivon'ny antoko ao anatin'ny faritra sy ireo olom-boafidy ary ireo tangalamena sy olo-be tao an-toerana koa moa ny tenany, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.
Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,
Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia
Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,
Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.
Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,