airtel

Politique

13-juil-2023

Politique

Hajo Andrianainarivelo “Tratry ny tsindry avy amin’ny mpamatsy vola ny governemanta”

Sample post image

Nitondra ny heviny momba ny nivoahan'ny datim-pifidianana ny filoha nasionalin'ny MMM na antoko politika Malagasy miara-miainga, Hajo Andrianarinarivelo, omaly.

13-juil-2023

Nambarany fa efa notakian'izy ireo herintaona lasa izany tetiandro izany fa namoaka ihany ny governemanta rehefa tratry ny tsindry avy amin'ny mpamatsy vola. Manaporofo izany fa tsy vonona amin'ny fifidianana ny fanjakana raha tsy voatery, hoy izy. Notakiany ny tsy haha tompon-trano mihono ny vahoaka sy ny hanajana ny lalàna. Anisan'izany ny famoriam-bahoaka sy ny fanehoan-kevitra malalaka mba hananana fifidianana mangarahara. Aoka isika vahoaka tsy ho voarebireby intsony amin'ny tsy fanarahan-dalàna sy ny jadona fa mila faranana ny fitantanana tsy nahomby teto tao anatin'ny 63 taona, hoy izy. Notakiany koa ny tokony hampiasana anaty mangaraharaha ny volan'ny Ceni sy ny avy amin'ireo mpiara-miombona antoka. Etsy andaniny, nambaran'ny MMM fa tsy nanaiky ny hanitsy ny lalàm-pifidianana ny fitondram-panjakana. Ho avy anefa ny fifidianana hitsaran'ny vahoaka azy amin'ny tsy nanekena izany, araka ny nambarany. "Heverin'ny mpitondra fa ho tombony ho azy ny tsy fikitihana io lalàna io. Tsy lavorary ary mety hiteraka olana anefa izany lalàm-pifidianana izany ka ho tomponandraikitra amin'izany ny mpitondra. Miantso ny vahoaka izahay hanasazy ny tsy manara-dalana amin'ny alalan'ny fifidianana, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap
21-mai-2025

Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »

Card image cap
21-mai-2025

Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena

Card image cap
20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap