airtel

Politique

25-juil-2023

Politique

Hajo Andrianainarivelo “Tsy hoe vita ny zavatra tsy mety vao hifampiresaka !”

Sample post image

Voaantson’ny teo anivon’ny SADC hanaovana fakan-kevitra mahakasika ny fanomanana ny fifidianana indrindra ny

25-juil-2023

fikirakirana ny lisim-pifidianana ny antoko politika Malagasy Miara Miainga na MMM. Fakan-kevitra izay ahafahan’ny antoko mizara ny fanamarihana hita ao anatin’izay fanomanana ny fifidianana izay, hoy ny fampitam-baovaon’ity antoko ity omaly. Tahaka ny fikirakirana ny lisim-pifidianana izay nahitan’ny antoko MMM tsy fanarahan-dalàna maro ary efa nitondrana fanazavana teo anivon’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI saingy tsapa fa tsy noraisiny, hoy ny fanazavan’ny filohan’ity antoko ity, Hajo Andrianainarivelo. Isan’ny nibaha-toerana tamin’ny famelabelarana niarahan’ny MMM tamin’ny SADC ny mahakasika ny tsy fanarahan-dalàna samihafa izay miseho eto amin’ny tany sy ny firenena amin’izao fotoana. Eo ihany koa ny tokony hisian’ny fifampiresahana mialohan’ny handraisana fanapahan-kevitra amin’ny maha andraikitry ny tsirairay ny fifidianana sy hijerena ny tombotsoan’ny firenena. Teboka maro no ho sintomin’ny SADC ao anatin’izao fakan-kevitr’ireo mpisehatra sy antoko politika mahakasika ny fifidianana izao, izay hijerena manokana raha afaka hiatrehana ny fifidianana ny zava-misy ara-politika sy ny filaminana eto amin’ny firenena araka ny efa fanaon’ny SADC amin’ireo firenena mpikambana ao aminy mialohan’ny fifidianana. Nanomboka omaly ary haharitra hatramin’ny voalohan’ny volana aogositra ny fakan-kevitra hataon’ny SADC, hifampiresaka sy hifampizara ny zava-misy ny fahitan’ireo mpiesahatra rehetra ny fanomanana ny fifidianana. Ho voaantso amin’izany avokoa noho izany ireo mpisehatra rehetra, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Tokony atao foana ny fifampiresahana, hoy ihany ny filohan’ny MMM, satria andraikitry ny tsirairay ny fifidianana. Ny tsy mety, hoy izy, dia ny hoe rehefa vita ny zavatra tsy mety vao hifampiresaka !
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap
22-mai-2025

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

Card image cap
22-mai-2025

Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Card image cap
22-mai-2025

Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay

Card image cap
22-mai-2025

Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa

Card image cap
21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap