airtel

Politique

01-déc-2021

Politique

Handeha hitoroka depiote sy ben’ny tanàna Navotsotra ireo fokonolona 3 nosamborina tao Bekily

Sample post image

“Vaovao vao voaraiko amin'izao avy any Bekily: nosamborin'ny Capitaine de la Gendarmerie, Commandant de Compagnie-n’i Bekily ny Solontenan'ny Mponina avy ao amin'ny Kaominina Tanambao Tsirandragne Distrikan’i Bekily,

01-déc-2021

 raha saika haka Taxi-brousse hiakatra aty Antananarivo hitondra ny fitarainan'ny vahoaka amin'io Kaominina Tanambao Tsirandragne io noho ny afitsoky ny Solombavambahoaka sy ny Ben’ny Tanàna ao”, hoy ny Praiminisitra teo aloha Atoa Monja Roindefo omaly tao amin’ny tambajotran-tserasera. Nambarany, fa tezitra noho izany fandikàna ny Lalàmpanorenana ataon'ny Zandary any an-toerana izany ny mponin'ny Kaominina Tanambao Tsirandragne. “Amin'izao ora anoratana izao dia mirohotra izy ireo mankany Bekily hitaky hiara-ho gadraina miaraka ami'ny Solontenany telo lahy ireo”, hoy hatrany ity Praiminisitra teo aloha ity omaly. “Ampahafantarina eto izany satria olona an-jatony maromaro no mirohotra mankany ka ahiana ny hisian'ny fitrangan-javatra tsy voafehy. Tsahivina fa: Afaka mivezivezy malalaka eto amin'ny tanin'ny Repoblika Malagasy ny teratany Malagasy sy ny entany araky ny lalàmpanorenanana”, hoy ny fampahatsiahivan’Atoa Monja Roindefo.
NAVOTSOTRA TAORIAN’NY FIFAMPIRESAHANA
Rehefa nifanazava momba ny toe-draharaha dia navela malalaka ihany ireo telolahy voatana ka navela nanohy ny diany, hoy ny Praiminisitra teo aloha ny takariva. “Misaotra ny Commandant CIRGN Toliara, ny Commandant de Groupement Androy sy ny Commandant de Compagnie Bekily ny noho ny fiaraha-miasa, zava-dehibe ny fifampihainoana eo amin'ny tompon'andraikitra toy izao ho tombotsoan'ny filaminam-bahoaka eto amin'ny firenena”, hoy izy.
Toky R
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

07-mai-2024

Roa andro mialohan’ny fanombohan’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana solombavambahoaka,

Card image cap
07-mai-2024

Nanao fampahafantarana tetsy amin’ny Castelo motel Anosizato omaly ny sefo fokontany sy sefo fokontany

Card image cap
07-mai-2024

Hita fa tsy nahomby ny tetik'asa maro teto Antananarivo. Dibo-drano ny tanàna

Card image cap
07-mai-2024

Na tsy mandray anjara mivantana amin'ny fifidianana solombavambahoaka aza i Guy Rivo Randrianarisoa

Card image cap
07-mai-2024

Ifaninananareo ny miditra am-piangonana, hoy ny filohan’ny Vahaolana anio sy rahampitso na VAR,

Card image cap
06-mai-2024

Tsy manohana kandida hafa ankoatry ny avy amin`ny Vovonana Firaisankina izahay

Card image cap