airtel

Politique

08-mai-2023

Politique

Hanitra Razafimanantsoa «Tsy teo amin’ny fitondrana aza izy efa nanafatra fitaovam-piadiana»

Sample post image

Tsy hitondra antsika any amin’ny fitoniana ity fifidianana ity. Hatramin’ireo diaspora izay manana hevitra tsara koa, hoy ny solombavambahoaka, Hanitra Razafimanantsoa, ahenoantsiaka izany.

08-mai-2023

Ity fifidianana ity anie hitondra antsika any amin’ny hamerenana an’i Andry Rajoelina eo amin’io fitondrana io indray, hoy izy. Aza diso eritreritra ianareo! Tsy hisy handresy afa-tsy Andry Rajoelina eo noho ireto antony maro samihafa ireto hoe izy manana ny fahefana, manana ny basy, tsy teo amin’ny fitondrana aza izy efa nanafatra ireny fitaovam-piadiana mahery vaika ireny. Efa te handatsa-dra olona malagasy, efa nampihorohoro, nangalatra ka maika fa eo amin’io toerany io? Isan’ny mampiasa ny sain’ny olona izany rehetra izany. Be dia be ny hevitra mandeha any ary isan’izany ny resaka fametrahana governemantan’ny fampiraisam-pirenena ho an’ny fifidianana hoe mila manova ny rafi-pifidianana mihitsy aloha ny malagasy. Ovaina hatramin’ny lisi-pifidianana. Olona tena tsy mitanila ary misy fomba hahafahana miditra amin’izany. Hevitra mandeha daholo izany ary mizotra any amin’izay lalana izay isika izao. Mila miheritreritra an’izany fa tsy ny maha maika dia hoe andao hanao governemantan’ny fampiraisam-pirenena dia hifampizara seza dia samy miara-mihinana eo fotsiny aloha dia mizara seza ohatran’ny tamin’ny tetezamita teo hoe ny 4 omena an’i Rakoto na Rabe dia samy miketriketrika izay hanaovana lisi-pifidianana mampetipety azy eo. Dia samy mikendry izay hahalany ny azy sy mifandrirondrirotra eo dia izay lany eo lany hamotika firenena toy ny ataon’ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao. Tsy mila izany intsony ny firenena. Mila heritreretina hoe ahoana tokoa moa izany no hanofana ny rafi-pifidianana sy lisi-pifidianana? Ahoana no tsy hisian’izany CENI sy HCC izany intsony? Tsy vita 1 na 2 volana izany. Ny vola aza tsy misy ao anaty kitapom-bolam-panjakana. Mikatso ny raharaham-pirenena amintsika miteny izao, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap
22-mai-2025

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

Card image cap
22-mai-2025

Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Card image cap
22-mai-2025

Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay

Card image cap
22-mai-2025

Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa

Card image cap
21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap