airtel

Politique

04-janv-2023

Politique

Harivola Raharinosy “Tsy valifaty politika intsony no vahaolana”

Sample post image

Mafy ho an’ny rehetra iny taon-dasa iny, hoy ny mpandraharaha sady mpandinika raharaham-pirenena, Harivola Raharinosy. In-5 niakatra angamba tamin’iny ny vidim-piainana, hoy izy.

04-janv-2023

Ny asa miha tsy misy, mba tsy hitenenana hoe tsy misy intsony. Tsy misy misokatra vaovao. Ny eo mikatona. Eo koa ny nefa ny tsy famokarana. Tsy fanjariana anaty. Ny vidim-bary izao efa maherin’ny 3000 Ariary ny kilao. Ny politika tsy hita be eny ihany. Tsy vita tanteraka ny fanisam-bahoaka. Ny vahoaka miha mahantra tanteraka. Miha tsy mihinana. Ny tsy fandriampahalemana etsy andaniny. Ny dahalo mamely. Aty an-drenivohitra matahotra mpanendaka. Mandry tsy lavo loha miaraka amin’ny kibo noana isika izao. Averiko ihany fa tsy voafehin’ny filoham-pirenena ny fitondrana, indrindra moa fa ny lafiny ara-toekarena. Tsy hain-drizareo ary tsy hifanomezan-tsiny rehefa tsy hainy ilay izy fa ny mba tiako hatao dia hoe andao ary atao ny resaka politika. Andao hiaraka harenina ilay firenena! Ho tadiavintsika ny varavarana hivoahana mety aminareo mba tsy haratra be ilay vahoaka sy ilay firenena satria efa miaina ny tsy fiaina ilay olona. Hitantsika izao ireny hoe olona miisa 30 maty. Matin’ny hanohanana. Maty nihinankinam-poana. Hiampy ohatran’izay indray ve? Aleo miara-mitady vahaolana fa firenena iaraha-manana ity. Tsy maintsy hiakatra any amin’ny 40% any indray izao ny vidim-piainana. Hiaina amin’ny inona izany. Hisy famatsiana na “subvention” azo atao ve nefa ny karamam-panjakana aza io efa tsy voaloha intsony? Isika izao teo faran’ny taona tsy maintsy nandoa trosa. Ny ao anaty kitapom-bolam-panjakana efa malaza tsy misy. Misy fotoana ianao mila mamoaka vola misimisy any amin’ny banky saingy tsy misy vola taratasy na “espèce” hono. Ho atao ny fifidianana amina lisi-pifidianana tsy zarizary. Ny CENI sy HCC mampiahiahy. Ho terena ve ilay zavatra dia avy eo hisy ny korontana? Tsy valifaty politika isaky ny mifandimby fitondrana intsony izao no vahaolana fa izay mba hihinanan’ny malagasy, hoy hatrany ity mpandinika ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap