airtel

Politique

27-mars-2023

Politique

Hary Razafindrazaka « Mitsangana manohitra amin’ny hevitra fa tsy herisetra »

Sample post image

Mampalahelo ny hoe ny fanaovana T shirt Andry Rajoelina no hoe nidarohana ilay mpamily Bajaja, hoy ny filoha lefitry ny antoko politika, Leader Fanilo teo aloha, Hary Razafindrazaka.

27-mars-2023

Na inona na inona antony dia mamoha henatra amiko ireny hetsika ireny ary azo tenenina hoe “lâcheté” na hakanosana, hoy izy. Iny tovolahy iny angaha no nahatonga ny fahantranao na ny tsy fandriampahalemana? Raha sahy ianao dia mitsangana manohitra ny fitondrana amin’ny hevitrao. Milahara mameno ny arabe am-pilaminana mikiakiaka manambara ny fahantranao sy ny ahiahinao! Na izany na tsy izany anefa dia tomponandraikitra voalohany izao fanjakana izao manoloana ny ngidy mianjady amin’ny vahoaka. Ny werawera etsy andaniny anefa tsy mety milefitra. lokoina loranjy daholo izao fananam-panjakana izao ampiderana ny hery. Atao daholo ity hetsika loranjy ity hanakonana ny tsy fahombiazana. Ampiasaina ny tafika handemena ny mpanohitra mihetsika fa ry zareo tsy misy bedy mameno ny arabe mampirantirany ny loko loranjy. Tsy mifanaraka amin’ny werawera anefa ny vokatra ao anaty vilia ka mahatonga fahatezerana ary mety nahatonga ny fihoaram-pefy toa ireny. Rehefa noana ny vatana dia mivezivezy ny fanahy hoy ny razantsika izay. Ambava omana ampo miheritreritra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap
22-mai-2025

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

Card image cap
22-mai-2025

Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Card image cap
22-mai-2025

Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay

Card image cap
22-mai-2025

Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa

Card image cap
21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap