airtel

Politique

09-mai-2023

Politique

Hary Razafindrazaka «Tsy fitsinjaram-pahefana izany tetikasan’ny filoham-pirenena izany»

Sample post image

Amin’ny anaran’ny tenako manokana fa tsy amin’ny anaran’ny antoko politika izay misy ahy dia ny Leader Fanilo no itondrako fanazavana momba ny zava-nitranga teo anivon’ny antoko

09-mai-2023

farany teo, hoy ny filoha lefitry ny antoko teo aloha, Hary Razafindrazaka. Fantantsika, hoy izy, fa efa nanapa-kevitra ny antoko ny hiverina hikambana taorian’ny disadisa nisian’ny hoe elatra Jean Max Rakotomamonjy sy Pr Rabesa Zafera Antoine. Nisy ny marimaritra niraisana, noho izany, dia ny fiaraha-mitantana. Antony ihany koa io nanekeko ny tsy ho isan’ny birao na dia efa notononina ho isan’izany aza. Nomena fitenenana ihany moa ny tena ary nilaza hoe inoako fa tsy niova ny fotokevitry ny antoko ary ny angatahako dia mba tsy ho moana intsony ny antoko manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Isan’izany, ohatra, ny nambaran’ireo mpiara-miombon’antoka mikasika ny vola nampiasaina tamin’ny COVID hoe nankaiza daholo? Miandry ry zareo fa toa mbola tsy misy valiny? Misy olana ny dikan’izany ny resaka fanjakana tsara tantana. Iaraha-mahita io ny tsy fisiam-bolam-panjakana. Tara foana ny karaman’ny mpiasam-panjakana, ny mpampianatra, zavatra maro no tokony natao nefa tsy natao. Ny vola hanaovana werawera anefa tsy mijanona. Tsy misy fandrosoana eto Madagasikara raha tsy misy fitsinjaram-pahefana. Hatramin’izay ny Leader Fanilo no efa resy lahatra tamin’izany. Izany tetikasan’ny filoham-pirenena izany tsy fitsinjaram-pahefana fa fanagiazam-pahefana. Mino aho fa mbola misy ny etika politika izay tsy dia tena narahanay loatra tao amin’ny antoko. Aoka hazava! Ezahana iverenana kosa izany izao. Ny mahatonga ny tena tsy hanangana Leader Fanilo vaovao dia noho ny etika politika. Iarahantsika malala fa tsy misy intsony eto ny etika politika. Leader fanilo taloha ny ankamaroan’ireo depiote Mapar ireo dia mivadibadika eo ny sasany lasa HVM dia TIM dia toy izany daholo. Mila tsaboina izany rehetra izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap
22-mai-2025

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

Card image cap
22-mai-2025

Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Card image cap
22-mai-2025

Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay

Card image cap
22-mai-2025

Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa

Card image cap
21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap