mikasika ny fangatahana fanemorana fanindroany ny datim-pifidianana noho ny antony tsy azo hanohanarana, izay nolavin’io Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana io. Tonga ny 23 oktobra io, ary nivaly ny 25 oktobra. Mihisatra kosa ireo raharaha goavana, toy ny taratasy fangatahana tamin’ny HCC ny hijerena ny fifanarahany amin’ny lalàmpanorenana na tsia ny andininy faha-42 amin’ny didy hitsivolana N°60-064 tamin’ny 22 jolay 1960 mikasika ny fehezan-dalàna momba ny zom-pirenena Malagasy ihany koa ny loholona IRD Tsiebo Mahaleo sy ny tariny, napetraka ny 08 oktobra; ny fitoriana nanaton’ny depiote 38 notarihin’ny solombavambahoaka Stanislas Randrianarisoa sy ny namany, hijerena ny maha manaraka ny lalàmpanorenana na tsia ny didim-panjakana N°2023-1390 tamin’ny 11 oktobra 2023 miantso ny loholona hivory tsy ara-potoana. Mbola ny 12 oktobra ihany, nangataka tamin’ny HCC ny hijerena ny maha mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana na tsia ihany koa ny Filohan’ny Antenimierandoholona tamin’izany Atoa Herimanana Razafimahefa. Mbola dosie hafa ihany koa ny fitoriana nataon’Atoa Herimanana Razafimahefa ny 16 oktobra izay nisintona ny taratasy tsy nahafahany nandray ny fahefana ho Filoham-panjakana mpisolo toerana; ny hanamarinan’ny HCC ny tsy maha manan-kery ny fametrahana ny governemanta miara-mitantana; fanendrena azy izay mbola Filohan’ny antenimierandoholona tamin’ny fotoana nametrahany ny fitoriana ho Filoham-panjakana mpisolo toerana mba ho fanajana ny lalàmpanorenana. Mbola nitohy ny an’ny Filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha Atoa Herimanana Razafimahefa, nangataka ny hijeren’ny HCC na ara-dalàna na tsy ny fifidianana nanonganana azy sy ny fifidianana ny Jeneraly Ravalomanana Richard ho filohan’io andrim-panjakana io, taratasy tonga tao amin’ny HCC ny 18 oktobra. Dosie goavana manamarika ny politika ireo, ary heverina fa isan’ny tena maika, saingy mahagaga ny fitarazohany sy tsy hamoahana valiny hatramin’izao. Ny fangatahana fanamarinana ny maha mifanaraka ny lalàmpanorenana ny fiantsoana fivoriana tsy ara-potoanan’ny loholona no nangatahana, saingy vita ihany izany fa ny fanamarinana ny maha ara-dalàna na tsia azy tsisy valiny. Nandeha hatramin’ny fanonganana filohana andrim-panjakana aza, fa tsy niandry ny didy, ary tahaka izany ihany koa ilay fitoriana mba hanatsoahana ny fahefan’ny governemanta, saingy toa efa mazava izany fa izay vita dia vita?
Toky R
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny