airtel

Politique

25-mars-2024

HCDDED

Tafapetraka ny birao sy ny solontena ao amin'ny HCJ

Sample post image

Niroso tamin'ny Fivoriam-be voalohany ny Mpikambana ao amin’ny Filan-Kevitra Ambony ho

25-mars-2024

an’ny Fiarovana ny Demokrasia sy ny Fanjakana tan-dalana na HCDDED (Haut Conseil de la Défense de la Démocratie et de l’Etat de Droit) ny faran'ny herinandro teo. Araky ny lalana mikasika an’io rantsa-mangaika anatin’ny Lalampanorenena, dia io no fotoana anaovana ny fifidiananana ny Birao. Voafidy ho filoha Atoa Ranadialison Angelo Mpitsara, solontenan’ny HCC; Filoha lefitra : Atoa Ramarosaona, solontena voafidi’ny OJM; Mpammpakanteny Ambony Atoa Andriamanantena Jean-Marc, solontenan’ny CNIDH. Voafidy tamin’io fotoana io ihany koa ny solontenan’ny HCDDED efatra, ho mpikamban’ny Filan-kevitry Ambony momba ny Fitsarana (Haute Cour de la Justice, HCJ) : Rtoa Dama Gisèle Ranampy ; Atoa Ramarokoto Fenosoa Emile ; Atoa Samuel Herimandimby Rajaona ; ary Atoa Zafilaza. Ny HCDDED, dia rantsa-mangaika voalazan’ny Lalampanorenana ao amin’ny andininy faha-43. Manana andraikitra amin’ny fijerena ny fanajana ny Fanjakana tan-dalàna, ny fanaraha-maso sy fampiroboroboana ny demokrasia ary ny fivorian’ny zon’olombelona io rafitra io. Ity rantsa-mangaika ity dia mahaleontena misitraka ny fizakan-tena ara-pitondran-draharaha sy fitantanam-bola. Sivy no isan’ny mpikambana ao, ary dimy taona tsy azo havaozina ny fe-potoana iasan’izy ireo. Raha miverina amin'ireo tranga nanaovan'ny mpitondra ny HCDDED teo aloha, dia mampanahy ihany ny tena hahafahany miaro sy mametraka ny demokrasia sy Fanjakana tan-dalàna. Toa nijanona teo amin'ny fampanenoana lakolosy noho ny fahefany voafetra ka tsy nasian'ny fitondrana vidiny, tsy nasian'ny HCC hasiny,... Sao mba efa kajy vita ihany koa mba ho fiarovana ny mpitondra ny nahatafiditra ny Minisitra teo aloha sady vadin'ny Filohan'ny vaomieram-pifidianana ho mpikambana ao anatin'ny HCJ, rafi-pitsarana hitsarana ireo olona ambony voarohirohy amin'ny kolikoly, afera maloto, fanodinkodinana volam-panjakana,...?
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap