airtel

Politique

13-mai-2024

Hemerson Andrianetrazafy

«Tena mikororosy tanteraka isika»

Sample post image

Tena mikororosy tanteraka na ara-drafitra na aram-pitantanana na ara-piarahamonina isika ankehitriny,

13-mai-2024

hoy ny mpahaitantara, Hemerson Andrianetrazafy, raha atao jery todika ny zava-misy hatramin’izany hetsiky ny 13 may 1972 izany hatramin’izao 13 may 2024 izao. Fefika an-dalana ireo nofy sy vina rehetra ka ny fanantenana ny tsaratsara kokoa rendrika noho ny fitiavantena, filam-boninahitra ary ny habadoana tafahoatra, hoy izy. Endrika iray amin’ny tsy fisian-drafitra mahefa isika izao na «anarchie» ka ny be sandry, ny be basy, ny be vava, ny be loha no mirehareha. Ny olombelona moa tsy nohajariana ka tsangan'olona mandrava ny misy daholo fa tsy misy izay miheritreritra mikasika ny iraisana. Vahaolana misy foana fa vonona ny hanao azy ve isika ? Rehefa miely ny pesta, vonoy ny voalavo! Vizana aho! Leo ny mitsako mangidy rehefa mandinika sy mijery ny zava-misy, leo sarin'ady tsy hitondra mankaiza, leo mpisandoka manandra-tena ho sangany ka tsy hitako intsony izay ho hafatra hapetraka rehefa mbola tsy ho avy amintsika rehetra ny fahatongavan-tsaina, hoy hatrany ity mpahaitantara ity!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap
20-mai-2025

Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009

Card image cap
19-mai-2025

Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany

Card image cap