airtel

Politique

27-nov-2023

Henjana ny fanambaran’ny OIF

Tsy feno ny fepetra maha

Sample post image

fifidianana eken’ny rehetra an’iny »

27-nov-2023

Nanara-maso akaiky ny zotram-pifidianana teto Madagasikara ny OIF Rafitra Iraisam-pirenen’ny Frankofonia, niainga tany amin’ny vanim-potoana nialohan’ny fifidianana, nandritra ny fifidianana, ary amin’izao vita fifidianana izao, izay ny sabotsy teo no namoahan’ny CENI ny vokatra vonjimaika. Nahitsy ny OIF ny sabotsy lasa teo nilaza fa tao anatin’ny iraka fanaraha-maso nataony, dia nisongadina ny tsy fahatomombanana sy fahelemena nialohan’ny fifidianana. Hita taratra izany tamin’ny tsy fisian’ny fifanakalozan-kevitra sy fifampihainoana teo amin’ny governemanta sy ny antoko mpanohitra, ny fiampangana ny rafitra sy andrim-panjakana ho mitanila, fa indrindra indrindra ny fangejana ny zo sy fahalalahana, ka isan’ny goavana tao anatin’io ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fampiasana ny « force de l’ordre » na ny mpitandro ny filamianana hampiasa hery tsy mifandanja amin’ny vahoaka teo anatrehan’ny fihetsiketsehana nataon’ny mpanonihitra sy ny firaisamonim-pirenena. Ny andron’ny 16 novambra andro nanatanterahana ny fifidianana, ny zotran’ny fandatsaham-bato, ny fanakatonana azy, ny fikirakirakirana ny vokatra, ny famoahana ny vokatra, dia nizotra tao anatin’ny filaminana, kanefa ambany dia ambany ny fandraisan’anjaran’ny olona. Navoitran’ny OIF fa fa lasa misara-bazana ny fiarahamonina Malagasy, ka nanehoany ny ahiahy goavana amin’ny mety hisian’ny tsy fanekena sy fanoherana mahery vaika sy vao mainka hiakaran’ny maripana politika taorian’ny fifidianana. « Ambaranay fa ny fepetra rehetra maha fifidianana andraisan’ny rehetra anjara an’iny dia tsy feno, misy ireo kandida nanapa-kevitra ny tsy hanao propagandy sy ny handray anjara amin’ny latsa-bato, nitaky ny fanavaozana ireo rafitra mpikarakara sy mpitsara ny fifidianana », hoy ny OIF.
MIANTSO FIFAMPIRESAHANA…
Noho izany, miantso ireo herivelona politika, ireo rehetra voakasika, mba handray anjara amin’ny famerenana ny fifampitokisana sy hanamafisana ny Fanjakana tan-dalàna ny OIF. Mandrisika ny hirosoana amin’ny fifanakalozan-kevitra sy fifampiresahana mba hametrahana tontolo politika milamina kokoa mba hisian’ny fitoniana, fahamarinan-toerana, ary ny fampandrosoana mirindra sy maharitra eto Madagasikara. Nanamafy moa ny OIF fa mpikambana ao anatiny i Madagasikara ka misy ny soatoavina nifampizarana. Nilaza fa vonona hatrany ny hanome tan-tsoroka ireo herivelona Malagasy amin’ny fametrahana ny fitoniana sy ny demokrasia. Raha aravona ity fanambarana ity, dia manamafy izany ny OIF, fa tena tsy nizotra tao anatin’ny fahalalahana ny fifidianana teto Madagasikara, tsy nandraisan’ny rehetra anjara, tsy hiteraka fitoniana sy fahamarinan-toerana ara-politika,… ary loza mitatao ho an’ny firenena raha tsy aravona amin’ny alalan’ny fifampidinihana. Mety ho tandindon’ny ho faharefoan’ny fifandraisana ara-diplaomatika ho an’ny mpitondra nolaniana tamin’ny tsy ara-drariny, raha minia miziriziry.
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap