ny valim-pifidianana avoakan’ny CENI sy HCC, hoy ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Moramanga teo aloha, Henri Charles Randriamahefa. Vita iny, hoy izy, ny fampielezankevitra, ny latsa-bato. Tsy isika kandida na mpanao politika indray no hiantso vahoaka tsy hanaiky ilay vokatra. Mazava ny dingana ho an’izay olona mahatsapa tsy fihetezan-javatra nandritr’ilay fifidianana. Afaka mametraka fitoriana any amin’ny HCC. Afaka manao fampitahana. Tokony hiandry am-pitoniana ny valiny ofisialy fa tsy hanao fihantsiana. Zo ny mitaky fa arahana ny dingana na «procédure». Ny olana izao dia samy mampiaka-peo ho nahita tsy fanarahan-dalàna daholo izay resy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny
Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »
Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny