rehefa fifidianana , ary na ny tena aza mety efa nanakaikikaiky izany ihany,hoy i Herilanja Ralaiharinivo, kanefa mahatsiaro tena ho manana adidy amin’ny fiarahamonina sy ny tanàna ny tena dia tsy maintsy mijoro ary nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’i Tahina Razafinjoelina. Heveriko , hoy ity mpanentana nandritra ny hetsiky ny « Collectif des 11 candidats » ny taona 2023 ity fa manana ny herin-tsaina sy herim-batana ary ny fahalalana amam-pahaizana ahafahana mitondra ny tanànan’Antananarivo i Tahiana R. Nomarihiny fa safidy daholo ny zavatra atao eo amin’ny fiainana, ka rehefa misafidy dia tsy mandeha any amin’ny zavatra mangidy fa misafidy mandeha mankany amin’ny zavatra mamy ahitanao fahombiazana, hoy Herilanja manoloana ny fanontaniana hoe a nahoana ianao no tsy manohana ny kandida an’ny antoko nahafantarana anao hatramin’ny taona 2002 fa manohana kandida hafa.. Amin’ny politika koa tsy voatery hoe hiaraka foana ary tsy maintsy jerena izay mahasoa ny tanàna sy ny fiarahamonina, hoy iHerilanja Ralaiharinivo. Tsy mety , hoy izy hoe olona tsy manana traikefa na fahaizana ny amin’izany politikam-pitantanana tanàna izany no apetraka eo, aleo ny mahavita sy azo antoka no mitantana mba tsy hanenenana tahaka ny efa nitranga tany aloha. Izaho manokana, hoy i Herilanja dia efa 25 taona no nahafantarako an’i Tahina Razafinjoelina, hitako ny niatombohany sy ny nataony ary ny fivoarany eo amin’ny lafiny arak’asa sy ara-politika. Ny anarany rahateo moa efa hoe Tahina ka midika zavatra lehibe izany satria ny anarana dia fisandratana ka ny faniriana dia ho tahian’Andriamanitra isika mianakavy sy ny tanàna dia samy tsara, hoy izy.
RTT
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,