airtel

Politique

18-juil-2023

Politique

Heritiana Rasoamiaramanana na Zaref “Tsy mifanaraka amin’ny maha vazaha ny asa maha filoha ”

Sample post image

Soa ihany fa efa natory ny mpanala Bacc tamin’iny alina iny, hoy ny mpanao politika, Heritiana Rasoamiaramanana na Zaref,

18-juil-2023

mantsy ny alahady alina teo izay nisian’ny fandaharana manokana niaraka tamin’ny filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina. Isika anisan'ny mivoy ny hoe "Malagasy mihavana amin’ny tantarany", hoy izy. Niresaka momba an'i Ralaimongo moa ny mpiresaka iny alina iny fa ny tiany hatambatra dia ny hoe zom-pirenena frantsay sy fitiavan-tanindrazana. Mitohoka sa tsy mitohoka? Mampitaha ny tsy azo ampitahaina. Ralaimongo dia nobaboin'ny jiolahy ka namidy ho andevo. Ny fahatongavan'ny mpanjanaka dia tombony ho azy satria nandrava ny fanandevozana ka inona no mampitovy anareo amin’izany? Eny, franco-malagasy izy satria nanomboka tamin’ny 1896 dia lasa frantsay daholo ny gasy velona satria voazanaka isika. Ny tolom-panafahana dia tsy azo ampitahaina amin’ny vanim-potoana ankehitriny izay lazaina fa fahaleovantena. Ny olona niala tamin’ny maha frantsay hiverina amin’ny fahaleovantena kanefa ianareo miverina mankany. Hany ka lasa teraka ny fomba fiteny hoe "bolokim-bazaha mamorika ny malagasy ka manome vahana ny vahiny no mahazo fahefana". Noho izany, tsy tohana ara-kevitra momba ny fizakana zom-pirenena vahiny “nangatahana” ny fanaovana ohatra ireo mahery fo ary ny asa maha filohan'ny repoblika dia tsy mifanaraka na “compatibles” amin’ny maha vazaha. Resaka MDRM, tsara ihany ny miverina mamaky ny tantara sao manoro vilana. “Le Mouvement démocratique de la rénovation malgache ou MDRM est un parti politique malgache fondé le 22 février 1946 et dissout le 10 mai 1947.”, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap
20-mai-2025

Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009

Card image cap
19-mai-2025

Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany

Card image cap