airtel

Politique

28-août-2023

Hery Rajaonarimampianina

Hiverina an-kianja ho kandida filoha

Sample post image

Hiverina ao anatin’ny hazakazaky ny fifidianana ny HVM taorian’ny fakana saina rehefa resy tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena ny taona 2018, ka somary naka saina sy naka bahana.

28-août-2023

Tapaka tao anatin’ny Kongresin’io Antoko naorin’Atoa Hery Rajaonarimampianina io ny 25-26 aogositra tetsy amin’ny Foiben-toerany tetsy Andraharo ny fandrotsahana olona ho kandida ho Filoham-pirenena, ka ity Filoha ity no nangatahan’ny mpizaika ho kandida, izay efa nampoizina ihany. Tsy niandry ela fa nanaiky sy nanambara avy hatrany ny haha kandida azy amin’ny fifidianana Filoham-pirenena ny 09 novambra ho avy izao. “Latsaka an-katerena ny firenena, mila fanavotana, mila fanarenana, maika ny hanaovana izany ary amin’ny fomba matotra sy ao anatin’ny fitoniana. Eo anatrehan’izany no tiako hamaliana ny antso maro sy ny antson’ny fieritreretako ka hilazako ho ren-tany ho ren-danitra ny filatsahako hofidiana”, hoy I Hery Rajaonarimampianina. Ity farany izay nilaza fa manjaka ny tsy fanajana ny tany tan-dalàna, lalina loatra ny hantsana manelanelana ny mahantra sy ny mpanam-bola. Niantso ireo mpomba azy hijoro sy ho sahy noho izany I Hery Rajaonarimampianina eo anatrehan’ny hazakazaka ara-pifidianana afaka volana vitsy ity. “Mijoroa hamerina ny fanjakana tan-dalàna, hijoro aho hamerina ny fifampatokisana amin’ny vahoaka sy ny mpitondra, hijoro aho hiaro ary hamerina ny hasin’I Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenana. Hijoro aho hanamafy ny fihavanam-pirenena. Hijoro aho hiaro ny harem-pirenentsika ka hampiasa izany ho tena amin’ny tombotsoan’ny vahoaka maro an’isa. Hijoro aho hanafoana ny didiko fe lehibe, ny didy jadona,…”, hoy hatrany I Hery Rajaonarimampianina. Firotsahana hofidiana Filoham-pirenena fanintelony izany ity ho azy, ka raha hiverenana dia ny 2013 no nirotsahany hofidiana ho Filoham-pirenena rehefa avy minisitry ny toekarena sy ny vola tao anatin’ny fitondrana tetezamita. Lany tamin’ny isam-bato 53% izy tamin’ny fihodinana faharoa nanoloana an’I Robinson Jean Louis, na nitarika lavitra be aza ity farany tamin’ny fihodinana voalohany, saingy nitsimbadika ny rasa noho ny antony maro. Filoha am-perin’asa izy tamin’ny 2018 no nirotsaka hofidiana, saingy 8% no azony ka raraka teo amin’ny fihodinana voalohany. Tsara ny manamarika, fa nialohavana sakoroka politika ny fiafaran’ny fe-potoana niasany satria nisy ny fidinana an-dalambe notarihin’ny depiote 73, ka nanapahan’ny HCC ny fandravana sy fanokafana ny governemanta amin’ny antoko mpanohitra. Nilefitra sy nandefitra, ary nangina I Hery Rajaonarimampianina taorian’ny fifidianana 2018, naka saina, tsy nandray anjara tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy depiote ny HVM tamin’ny fifidianana farany teo, ary izao mieritreritra ny hiverina haka fitondrana izao indray.
Toky R

 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.

Card image cap
07-févr-2025

Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny

Card image cap
07-févr-2025

Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana

Card image cap
07-févr-2025

Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny

Card image cap
07-févr-2025

An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,

Card image cap
06-févr-2025

Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo

Card image cap