tarihin’ny Prefen’Antananarivo Jeneraly Ravelonarivo Angelo, fa tsy nahazo alalana ny fitarihana vahoaka eny Analakely anio. “Manao antso avo ny OMC ho an’ny vahoakan’Antananarivo, mba ho mailo sy ho tony eo anoloan’ireo fihantsiana isan-karazany. Manana zo isika hivezivezy, hivarotra, hiasa,… izay ataontsika hoe: zo fototra ka tsy tokony hoelingelenina amin’ny raharaha politika. Koa miangavy antsika ho sarotiny amin’izay fahafahana izay indrindra amin’ny fiarovana ireo fotodrafitrasa. Tompon’antoka tanteraka izay mamporisika ny olona hidina an-dalambe hanakorontana, ka tsy maintsy hisy ny fandraisana andraikitra. Tsy mpanao ramatahora izahay mpitandro filaminana fa hiaro anao sy ny fananao, koa aoka isika ho tony sy ho mailo tsara amin’ireo mpanakorontana. Tsy maintsy hisy ny fepetra satria fihetsiketsehana nahazoana alalana”, hoy io tompon’andraikitra. Tsy dia mifanalavitra loatra tamin’ny raharaha Tolon’ny depiote 73 tamin’ny aprily 2018, saingy niaraha-nahalala fa nitsimbadika ny rasa avy eo, vao niditra tamin’ny fampiasan-kery. Iza hatramin’izay Repoblika efatra nifanesy izay tokoa moa ny mpanohitra no nangataka alalana handeha haneho hevitra teny amin’ny 13 may ka nahazo alalana malalaka? Hatramin’izay nisian’ny hetsika politika niainga 1972, 1991, 2002, 2009, 2018 dia nisy hatrany ny endrika sakana niseho tamin’ny endriny maro, saingy mety mahalala avokoa ny rehetra hoe: nahomby be izany? Sary fahita ny fandrangarangana ny tafika, ny fitaovam-piadiana mahery vaika, saingy izay mpitondra nampiasa hery na nivantana na ankolaka aloha, dia niarahan’ny rehetra nahalala ny vokany. Ankehitriny, efa tsy Filoham-pirenena voafidim-bahoaka intsony no mitantana ny firenena na ekena aza fa mety mbola ao an-damosiny ily filoha teo aloha izay toa mbola somary nanangam-bovona omaly, ka midika fa ambony kokoa ny tsy fahamarinan-toerana ara-politikan’ny mpitondra. Sanatrian’ny vava ve handatsa-drà izay vao mainka hanafaingana fipitihana eo sa hanaiky misy ny zavatra mila alamina ka hiroso eny ambony latabatra izay tsy maintsy hisy na ho ela na ho haingana?
Toky R
Hanao diabe ao amin'ny Place Trocadéro Paris, Frantsa ny sabotsy 9 desambra 2023
Hatramin’izao ny Federasionin’ny gadra politika na FEDEP dia mbola tsy manaiky ny maha filoham-pirenena
Raha nametra-pialana ny filoha Andry Rajoelina talohan’ny nilatsahan’ny ho filohan’ny repoblika
Mametraka foana ny antoko politika Marina, hoy ny filohany, Désiré Ranaivoson,
Ny 15 desambra izao no hifarana ny fotoam-pivoriana ho an’ny solombavambahoaka.
Fanorolahy Antoko politika miezaka mijery hatrany ny tombontsoam-bahoaka ny antoko Fanorolahy,