airtel

Politique

14-nov-2023

Hetsika Fotsy teny Anosy

Naneho am-pilaminana fa tsy ekena fifidianana maloto

Sample post image

Tamin’ny alalan’ny rojom-pifandraisana nanehoana firaisankiana no nanehoan’ny Hetsika Fotsy

14-nov-2023

hevitra mikasika ny fanoherana ny sary politika miseho ankehitriny dia ny fikatsahana hanao fifidianana amboletra. Nitarika an’izany ry Hary Razafindrazaka isan’ny niaingan’ny Hetsika Fotsy, ny mpanakanto Bodo Razafindrazaka,… Nentina nitondrana hafatra sy hanehoana ny tsy zavatra tsy mety eto amin’ny firenena izao, indrindra fa ny fifidianana, ary notanterahana tao anatin’ny fotoana fandalovan’ny mpanara-mason’ny SADC sy ny sehatra iraisam-pirenena. Nohamafisin’ireo mpitarika sy ireo mpandray anjara fa tena tsy madio ny zotram-pifidianana, mila fanadiovana, mba ho tonga amin’ny fifidianana tena milamina sy madio ary eken’ny rehetra. Maro ny endrika isehoan’izay tsy fahadiovana izay na eo amin’ny rafitra, fikarakarana, fitanilana,… miampy ny herisetra amin’ny endriny maro. Naseho tamim-pilaminana ny tsy fankasitrahana, nentina nanehoana fa tsy azo ekena intsony izao zava-misy iainan’ny firenena ankehitriny, ary tsy mendrika hotohizana mandritra ny 5 taona manaraka, mba tsy hahalatsaka an-davaka ny firenena.
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny

Card image cap
27-mai-2025

ny vahiny fa ny eto potehina…

Card image cap
27-mai-2025

Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?

Card image cap
27-mai-2025

Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,

Card image cap
26-mai-2025

Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,

Card image cap
26-mai-2025

Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika

Card image cap