hoy ny Hetsika iombonana ho amin'ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara na HIFFIM tetsy amin’ny foiben’izy ireo etsy Mahamasina omaly. Nanao fikaonandoham-pirenena ny 14 hatramin’ny 16 desambra farany teo ny HIFFIM, hoy izy ireo. Nanao antsoavo tamin’ny FFKM mba hanao fikaonandoham-pirenena. Lohahevitra miisa 5 mikasika ity firenena ity no nodinihin’ny HIFFIM tamin’ny antsipiriany ary tafavoaka soamantsara. Midika izany fa azo atao tsar any fihaonambem-pirenena. Tsy handroso I Madagasikara raha tsy ny malagasy manontolo no mandray an-tanana ny fampandrosoana. Fanapahan-kevitry ny Malagasy manontolo no mila atao. Izay no ilana ny fihaonambem-pirenena. Nanome 1 volana ny fitondram-panjakana izahay mba hanomezany daty sy hikarakarany izany ary tapitra ny 16 janoary teo izay fe-potoana izay. Hatramin’izao tsy misy na inona na inona. Na ny kabarin’ny filoham-pirenena farany taona aza tsy nisy nefa zava-dehibe ho an’ny hoavin’ny firenena izany. Nanapa-kevitra ny HIFFIM fa tsy maintsy mihetsika ny vahoaka Malagasy manontolo izay tompon’ny fahefana. Iraisan’ny HIFFIM amin’ireo antoko, vondrona, fikambanana politika mitovy hevitra aminy izany. Miditra amin’izany fifandresen-dahatra izany ny HIFFIM amin’izao fotoana izao. Vonona amin’ny fihetsiketsehana tsy maintsy atao miaraka amin’ny vahoaka malagasy ny HIFFIM hanavotana ity firenena ity. Fitiavan-tanindrazana no mibaiko anay ato. Handray fanapahan-kevitra politika izay ho henonareo tsy ho ela izahay fa tsy azo ekena intsony izao fitondrana manao ny danin’ny kibony izao. Efa misy ny krizy ary ny famahana krizy dia krizy ihany koa. Sarotra ny hanaovana fifidianana amin’izao endriny izao. Na ny mpitondra fanjakana aza marisarisa hanao fifidianana. Ny dinika no takian’izao vanim-potoana izao. Samy miteny izany daholo na mpitondra fivavahana na fiarahamonim-pirenena na mpanao politika sasany. Rehefa tsy hanao ny fitondrana dia handray ny andraikiny ny vahoaka, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana
Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay
Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,
Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,
Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,
Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.