airtel

Politique

16-mars-2023

Politique

Hetsiky ny AVI tao Bezaha “Ny vahoaka mihitsy no diso fanantenana”, hoy Rabenirina JJ

Sample post image

Taorian’ny tao Toliara afak’omaly, dia tao Bezaha indray no notsidihin’ny mpitarika ny Antoko AVI notarihin’ny Filoham-boninahitra Norbert Lala Ratsirahonana sy ny mpitarika ny AVI Jean Jaques Rabenirina omaly 15 martsa.

16-mars-2023

Nanentana ny olona hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana i Norbert Lala Ratsirahonana, ka nilaza mazava hoe: aza avela ny olona no hifidy eo amin’ny toeranao, aza avela ny olona no hisafidy izay olona tokony hitondra ny firenena, ka mahaiza ianareo eto Bezaha sy Betioky miray hina hifidy izay olona hitanareo fa mendrika hitantana ity firenena ity na iza na iza, hoy hatrany I Norbert Lala Ratsirahonana. Nanamafy fa mbola tsy fotoanan’ny propagandy izao, mbola mety hifankahita eto isika amin’ny fotoanany hoe: iza no hotohananay, hoy Filohan’ny AVI. Nametraka hafatra ho an’ireo ben’ny tanàna kosa Ratsirahonana, fa ny AVI dia mitady Fanjakana tsara tantana, kaominina tsara tantana,… Mahamenatra raha ny antoko no manao ny tsy fahamarinana na kolikoly ka tsy eken’ny saiko, saingy vonona hiaro anareo amin’ny fanendrikendrehana, hoy izy. Nandritra io omaly io ihany koa no nilazan’I Jean Jacques Rabenirina fa ny vahoaka any Betioky mihitsy no diso fanantenana amin’izao fitondrana izao, ka ny feon’ny vahoaka no entiny. I Betioky izay nahazoan-dRajoelina 92% tamin’ny fifidianana, taha ambony indrindra nanerana ny Nosy. “Solombavambahoaka ny tenako, ka izay feom-bahoaka izay no entina, ary izay solombavambahoaka mandà ny feon’ny vahoaka dia tsy solombavamboaka no anarany. Ny vahoaka aty no miteny fa diso fanantenana amin’ny fitondram-panjakana misy ankehitriny satria be ireo fampanantenana natao fa tsy tanteraka: tsy fandriampahalemana saika manerana ny faritra Atsimo, nampanatenaina hopitaly manara-penitra saingy tsy misy ao Bezaha na ao Betioky raha tsy hoe: vao hatsangana rahampitso angaha,…”, hoy I Jean Jacques Rabenirina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap