manatsahatra sy mandrara ny diabe am-pilaminana ataon’ny Firaisankinan’ny kandida sy ny vahoaka. Ny ampitson’iny ihany, ny dia efa nandefasana mpitandro filaminana zavon-tany teny Manakambahiny nandravana ny hetsika. Ny 20 oktobra 2023 kosa anefa no voarain’ny fitsarana ny taratasy mitondra ny laharana 139/23/SURS/TA-AN avy amin’ny « Collectif des Candidats », dia Atoa isany Razafinjoelina Tahina, Andrianainarivelo Hajo Herivelona, Ratsiraka Iarovana Roland, Ravalomanana Marc, Paraina Auguste Richard, Raobelina Andrimalala Andry, Razafitsiadraofa Brunelle, Ratsirahonana Lalaina Harilanto, Rajaonarimampianina Rakotoarimanana Hery Martial, Ratsietison Jean Jacques, Randrianasoloniaiko Siteny Thierry, tamin’ny alalan’ireo mpisolovava Hubert Raharison, Luc Rakotonirina, Eric Rafidison, Eloi Ratefimahefamijoro ny taratasy fangatahana fampiatoana iny didy mitondra ny laharana 003/23-MID/PREF-POL/ELECT navoakan’ny Prefen’Antananarivo ny 19 oktobra 2023. Mahakasika ny famoriam-bahoaka mandritra ny fampielezan-kevitra ity taratasy ity, navoakan’ny prefe ity. Fanapahan-kevitra, izay nohamafisin’ mandika lalàna no sady manohintohina ny an-tanan-tohatry ny fenitra momba ny zo fototra izany, hoy ny Collectif des Candidats, tsy inona moa izany fa ny fahafahana mivory am-pilaminana. Ny zoma lasa teo aza dia nahitsy ny kandida Jean Jacques Ratsietison fa tsy misy dikany iny satria mandika ny fifanarahana iraisam-pirenena nosoniavintsika tamin’ny taona 1976. Raha ny fanamafisana, voarain’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana tsara ny taratasy, izay midika fa miato aloha ny fanakanana fivoriana, izany hoe tsy misy fototra araka ny lalàna ny fanakatsakanana famoriam-bahoaka am-pilaminana ataon’ny Collectif des Candidats.
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,