airtel

Politique

26-oct-2023

Hetsiky ny mpitondra fivavahana

“Aza tampenam-bava ny ankizy!”

Sample post image

Ny mpitandrina Rafanonerantsoa Valisoa Lilia no nitory teny nandritry ny Fanandratana

26-oct-2023

vavaka ho an’i Madagasikara notontosain’ny HMF na Hetsiky ny mpitondra fivavahana tetsy Antsahamanitra omaly. Ny teny tao amin’ny Baiboly ao amin’ny Jeremia 20:7-10 no noraisiny ary mivaky manao hoe “Jehovah ô, notaominao aho ka voataona. Nosamborinao aho ka resinao.". Mila Jeremia ny firenena hijoro, hoy ity mpitandrina ity. Mila Jeremia hananatra sy hiteny. Aza mangiana! Mila Kristianina mijoro. Tsy voatery hitovy ny safidy. Samy manana ny tiany. Tandrovy ny fihavanana! Aza mifankahala! Mifampiantà! Ialao ny herisetra! Manaova ny marina, samy isika malagasy ihany eto Madagasikara! Isika Kristianina mila mijoro ho fahazavana. Aza manaiky hozarazaraina! Soa iombonana no katsahina sy tadiavina. Hafatra ho an'ny mpitondra, olom-boatendry, olom-boafidy, vahoaka. Ny hendry ihany no anarina. Aza manao fanahiniana manao tsy mety! Mijoroa ho ray aman-dreny alain-tahaka! Mila mitandrina ianareo! Hajao ny tsy fitovian-kevitra sy demokrasia! Aza tampenam-bava ny ankizy! Aza manao fijery mitanila ho an'izay miezaka mandamina! Mila tomponandraikitra tahaka izany ny firenena! Miezaha mba ho tena solontenan'Andriamanitra! Ho an'ny mpanao politika, mifampiresaha, mifandamina, aza mifampiziriziry! Mifanatona, mifampiresaha! Izahay mpitondra fivavahana tsy hangina fa hiteny, hamotsipotsitra ny tsy fanarahan-dalana isan'andro isan'andro. Mila Jeremia ny firenena hananatra sy hiteny, hoy hatrany ny HMF.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap