airtel

Politique

06-mars-2023

Politique

Hetsiky ny olom-pirenena miady amin’ny hosoka “Tsy azo ihodivirana ny resaka an-databatra boribory”

Sample post image

Manoloana ny toe-draharaha politika misy eto amin'ny firenena izay ao anatin'izao taom-pifidianana izao,

06-mars-2023

izahay avy ato amin'ny MCFIE na “Mouvement des Citoyens contre les Fraudes et Irrégularités ELectorales” na koa hoe HOM2HF, izany hoe, “Hetsiky ny Olompirenena Miady amin'ny Hosoka sy Hala-bato amin'ny Fifidianana” dia mizara amin'ny mpikatroka rehetra ny fomba fijerinay ny zava-misy, hoy ity hetsiky ny fiarahamonim-pirenena iray ity ny faran’ny herinandro teo. Mba hisian'ny fifidianana mangarahara sy eken'ny rehetra dia tsy azo ihodivirana, hoy izy ireo, ny fifanatonan'ny mpikatroka rehetra hiresaka an-databatra boribory. Handinihana sy hametrahana ny fitsi-dalao vaovao eken'ny rehetra hitondrana sy hanatanterahana ny fifidianana rehetra ho avy izany. Ilaina izany mba hialana amin'ny olana rehetra toy ny “doublon” na verindroa sy ny kara-panondro sandoka nisy teo aloha izay saika nampisy savorovoro, hoy hatrany izy ireo.
(Sary fanehoana)
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap