araka ny voalazan’ny andininy faha-46 amin’ny lalàmpanorenana izay mamaritra, fa tsy maintsy miala amin’ny toerany 60 andro mialohan’ny latsa-bato ny filoha am-perin’asa raha ho kandida. Ny Filohan’ny Antenimierandoholona no misolo ny toerany ao anatin’izany, ary raha kandida ity farany dia fiaraha-mitantana na “direction collégiale” eo anivon’ny governemanta. Nisy anefa ny fangataham-panazavana na « interprétation » nataon’ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta any amin’ny HCC mitondra ny datin’ny 04 septambra mikasika ny andininy faha-46 andalana faha-2 amin’ny lalàmpanorenana dia ny mikasika ny fialan’ny filoha 60 andro mialoha sy ny fisoloan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona azy mandra-panolorana ny fahefana amin’ny filoha vaovao. Efa nihatra anefa io tamin’ny 2018 izany hoe : tokony handeha ho azy, raha raisina amin’ny didy fakan-tahaka na «jurisprudence ». Raha resaka mandeha, mety tsy homena ny Filohan’ny Antenimierandoholona feno ny fitantanana, fa omena ny governemanta, ka antony nangatahana an’io « avis » amin’ny HCC io. Iza no tena hitondra ny baolina, i Mahazoarivo amin’ny alalan’ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta Atoa Ntsay Christian sa i Anosikely amin’ny alalan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Atoa Herimanana Razafimahefa? Fanontaniana mipetraka ihany koa anefa ny hoe : sao misy finiavana na tetika tsy hahafahan’ny Filoha tsy miala ? Stratejika be ihany koa moa ny fitantanana ny firenena ao anatin’io fa ny ahiana amin’ny politika dia ny mety ho fisiana baiko sy toromarika amin’ny resaka fitantanan-draharaham-panjakana hanomezana tombondahiny ara-politika olona na vondron’olona na antoko na kandida teo anivon’ny fitondrana voatery niala noho ny hazakazaka ara-pifidianana. Andrasana ny fivoaran’ny toe-draharaha politika fa ny azo antoka dia miha mafana hatrany izy amin’izao.
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,