airtel

Politique

19-oct-2023

Imbeh Serge Jovial

“Ny hafa foana no lazain’ny adala fa adala!”

Sample post image

Mahatalanjona ny fomba fanaovana politika, hoy ny mpanao politika, Imbeh Serge Jovial!

19-oct-2023

Lazaina fa marary saina ny filohan’ny antenimierandoholona dia nesorina, hoy izy. Izao indray dia marary saina ny filohan’ny antenimieram-pirenena ka kasaina haongana indray. Izy ty ve rehefa tsy manaraka ny zavatra tianareo hatao dia marary saina daholo ny olona? Tsy nisy olona anisany “fidèle” na mahatoky mihoatra ny filohan’ny antenimieram-pirenena fa rehefa nahatsapa izy fa misy ny olana sady “en danger” na tandindonin-doza ny firenena dia andraikiny ny miteny amin’ny maha filohan’ny andrim-panjakana azy. Andrim-panjakana miisa 2 izay ianareo no nametraka azy dia rehefa tsy manaraka baiko dia ailika fa tsy ny tombotsoam-pirenena no jerena . Ny adala dia sarotra aminy mihitsy no miteny hoe adala izy, fa ny hafa foana no lazainy fa adala. Ny hafa foana no lazain’ny adala fa adala, hoy hatrany ity mpanao politika ity!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap
20-mai-2025

Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009

Card image cap
19-mai-2025

Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany

Card image cap