Ny lalàmpanorenana any amin’ny andininy faha-75 no mamaritra fa mivory ara-potoana in-droa isan-taona ny antenimierampirenena. Ny faharetan’ny fotoam-pivoriana dia ferana ho 60 andro. Manomboka ny talata voalohany amin’ny volana mey ny fotoam-pivoriana voalohany ary ny talata fahatelo amin’ny volana oktobra kosa ny fotoam-pivoriana faharoa izay atokana indrindra amin’ny fandaniana ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana. Inona no tena nisongadina? Inona avy ireo asa vita? Misy azo antenaina amin’ny fandanina ny zavatra hatrehin’ny firenena ve?
MINGITRIKA NY 80%, FOMBAFOMBA SISA NY FIVORIANA
Raha nanainga ireo solombavambahoaka tsy hanao tandrevaka ny fotoam-pivoriana ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena sy mba hisian’ny fifankahazoana eo amin’izy ireo sy ny mpanatanteraka ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny fotoam-panokafana, dia tsy araka izay ny endrika nisehoany. Tsy ampy antsasamanilan’ny mpikambana 151 no tonga mivory, mety tsy ampy ampahatelony na ampahefany aza. Ao ny mandeha manao zavatra hafa toy ny famoriam-bahoaka ara-politika, ao ny voalaza fa nanao iraka any ivelany, ao tsy fantatra mazava izay alehany,… Isan’ny goavana izao ny volavolan-dalàna laharana 003/2023 momba ny harena an-kibon’ny tany, izay depiote 40 monja no nandany azy ny 13 may lasa teo, kanefa tena stratejika be ho an’ny firenena io. Ny herinandro nivalona teo izay nifanandrify tamin’ny fandaniana ny lalàna momba ny fampiasam-bola, dia zara raha misy 19 ny depiote tonga mivory, ny zoma teo aza toa 13,… Betsaka ny raharaha goavana miandry na efa nandeha. Hanao ahoana ny soso-kevitra naroson’ny Vondron’ireo firaisamonim-pirenena nanatitra soso-kevitra ho fanintsiana ny lalàm-pifidianana mba hatao tolo-dalàna tamin’ny 23 may lasa teo izay zava-dehibe raha tarafina amin’ny raharaham-pirenena? Ahoana ihany koa ny ho fizotran’io ao anatin’ny lalàna tetibolam-panjakana izay toa mbola tsy eny an-tànan’ireo depiote? Tena ho voadinika tsara sy hamaha ny olan’ny firenena eo anatrehan’ny krizy sosialy, toekarena,… misy ve ny tetibolam-panjakana? Mifanaraka amin’ny tombotsoa raisina ve ny fiadiana ny tombotsoam-bahoaka ? Mahakely finoana satria ny sary hita hatrizay dia toa mandeha ho azy io satria an’ny eo amin’ny fitondrana ny maro an’isa. Kajy politika no betsaka fa tsy fijerena fiainam-bahoaka!
MBOLA MIOTRIKA NY KRIZIN’ANDRIM-PANJAKANA
Mbola tsy levona ny lonilonin’ny raharaha fitsipaham-pitokisana tamin’ny desambra 2022. Mihariary ny krizin’andrim-panjakana noho ny nanatseforana azy teny an-dàlana io, na ny anidniny faha-103 amin’ny lalàmpanorenana aza no milaza fa, “azon’ny Anteninimierampirenena atao ny maneho tsy fankasitrahana ny andraikitry ny governemanta amin’ny alalan’ny latsabato fitsipaham-pitokisana. Rehefa tsy tanteraka ny tamin’ny 2022, dia nanomboka ny 24 -31 mey ny tatitry ny governemanta, izay tena isan’ny fotoan-dehibe amin’ny asan’ny mpanao lalàna izay manara-maso ny asan’ny mpanatanteraka. Toa ny governemanta anefa no nametraka ny fitsipi-dalao, ka raha ny fanao hatrizay dia mandeha ny tatitra ary arahin’ny adihevitra sy fametraham-panontaniana avy hatrany, saingy kabary tsy valiana aloha, ka miandry ny adihevitra sy fametraham-panontaniana. Vitsy ny depiote tonga, toa mbola taratry ny ady mangatsiaka. “Tsy fantatra, noho ny mbola fiantraikan’ny “motion de censure” izay voasakana teny an-dàlana ve no tsy mampavitrika ny solombavambaoaka sa mety misy antony afa na iraka? Ny tena anefa amin’ny maha mpikamban’ny birao maharitra mba mahalala ihany ny fandaharam-potoana”, hoy ny depiote Brunelle ny faran’ny herinandro teo. “Ny filazan’ny maro an’isa dia hoe: tsy misy antony hanaovana adihevitra na voalazan’ny lalàmpanorenana amin’ny andininy faha-101 fa mbola hisy fifanatrehana ka amin’izay no hifanazavana na hametrahana fanontaniana na am-bava na an-tsoratra,…”, hoy izy. Any amin’ny fametraham-panontaniana no tombanany fa ho maro ny depiote ho avy. Fifandrifian-javatra ve ny nisafidianan’ny Filohan’ny Antenimiera Rtoa Christine Razanamahasoa, izay nandeha namonjy an’i Mahé Seychelles niatrika ny fivorian’ny AP-COI (Association des Parlementaires de la Commission de l’Océan Indien) tamin’ny andro voalohan’ny fihaonan’ny governemanta sy ny depiote izay nanaovan’ny depiote tatitra?
Toky R
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny