Tonga teny amin’ity Kaominina vavahadin’i Madagasikara ity, ny filoha Andry Rajoelina ny faran’ny volana septambra 2022, nijery toerana hananganana foto-drafitrasa izay fampanantenana nataony tamin’ny Vahoakan’Ivato tarihin’ny Ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa, voafidy tamin’ny lisitry ny Tiako I Madagasikara. Toerana mifanila toerana amin’ireo “building” efa mitsangana miisa 9 amin’ireo 38 tokony haorina eny an-toerana no hananganana kianja mitafo manara-penitra izay nambara fa isany handraisana ny Lalaon’ny Nosy na « Jeux des Iles », andiany faha-11 hatao eto Madagasikara amin’ity 2023 ity raha tsy misy fiovana amin’ny fotoana farany. Hisy koa fanorenana “Complexe sportif” izay ahitana kianja filalaovana baolina kitra lalaovin’olona fito, kianja sady azo ilalaovana baskety sy Volley, fanaovana tsipy kanetibe, sns. « Asa mitondra fampandrosoana ho an’ny tanàna toy izao ataonao izao Andriamatoa Filoham-pirenena no andrasan’ny vahoaka ety aminay. Matoky anao izahay fa izay zavatra ampanantenainao tsy maintsy tanterahanao», hoy i Penjy Randrianarisoa, Ben’ny tanànan’Ivato, izay Kaominina vavahadin’i Madagasikara ity. Nisy indray anefa ilay fanambarana ampahibemaso nataon’ny filoham-pirenena nandritra ny fambolen-kazo tany Ilaka Est ny sabotsy 28 janoary 2023, fa ajanona avokoa ny fanaovana fotodrafitr’asa fa hiompana amin’ny sosialy ny asan’ny fitondram-panjakana. Toa sosoa voatapo-drano ny fientanana sy fanantenan’ny mponin’Ivato eo anatrehan’izany.
Jean D.
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,