Vao teo koa izao aho no naheno fitarainana hoe tsy ao anaty lisitra daholo izy mivady nefa ny zanany miisa 2 samy tsy ampy taona ao, hoy izy. Efa namory anay tery amin’ny Novotel ny CENI. Volabe no dikan’izany no lany amin’izany. Ao no misakafo. Noresahana tao ny resaka lisi-pifidianana. Niteny ny CENI tamin’iny 24 martsa iny fa eo amin’ny 75% eo ny lisitra efa vita. Izany hoe mbola mitady 25% eo dia nametraka fanontaniana aho hoe mbola mitohy ve izany ny fanisana na «recensement»? Namaly ireo hoe mbola mitohy. Tsy ho vita intsony mandrakizay izany io hoy aho satria raha mbola mitohy io, angaha ilay olona mahatadidy intsony hoe taiza no efa natao? Izaho izao tsy mahita iraka na «agent» manao fanisana izany intsony aty aminay aty avaradrano aty. Taty aminay izao hoe tokony niverina izy sabotsy fa izahay tsy tao. Mandrak’ity izy tsy niverina intsony. Sosokevitro tamin’ny CENI moa dia hoe mbola misy fotoana izao. Alaivo fotsiny ny rejisitry ny olona amina fokontany tsirairay dia iny no atao lisitry ny mpifidy. Esorina izay tsy manana kara-panondro. 24 martsa isika, hoy aho, tamin’izay. Mbola misy herinandro vao tapitra ny volana. Ao anatin’ny 2 volana satria 31 mey no fe-potoana nomena dia azo atao tsara mihitsy no angonina daholo ny rejisitra amin’ny fokontany rehetra dia atao lisitry ny mpifidy. Rehefa tsy hainareo hoy aho ny manao azy dia antsoy aho fa ataoko. Vitako io fa raha tsy vitako dia gadrao aho. Izao mandeha ny fotoana. Tsy ataony ilay izy. Tsy fantatra intsony fa izaho mbola miteny androany hoe azo atosika 30 jona ny fanakatonana ny lisitry ny mpifidy dia mbola mamerina izay fangatahako izay aho. Amin’iny koa no hanararaotana hitondrana rejisitra vaovao ireo fokontany mbola tsy manana satria mifankafantatra ny mponina ao anaty fokontany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana
Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay
Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,
Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,
Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,
Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.