Ny tsy maha eto an’i Roland Ratsiraka dia noho izy kandida, hoy i Jean Jacques Ratsietison Filohan’ny Antoko FMI Malagasy omaly. Antoko politika 5 no mandrafitra ny Kolekitifa, ary ao no tena misy ny Firaisankina, fa misy ny sarintsariny fotsiny sy miady an-trano, hoy io mpanao politika io. Tsy nitsitsy ny tenany nilaza fa amin’ireo kandida 7 ireo, iray ihany no mpanohitra dia Tahina Razafinjoelina. Raha tsy izany ve lany 100% ny filohan’ny antenimierampirenena fa raha tena mpanohitra nahoana no tsy nanolotra kandida ? hoy ity farany. Notsikafoniny sy notsiahiviny ny hoe : Andry Raobelina nesorina tao amin’ny Plaza tsy ara-drariny, nongotana manta tsy nananana hantra. Misy anefa orinasan-tserasera iray nomena didim-pitsarana fa hoe tokony hiala faran’izay haingana ka 72ora no nomena tamin’izany, fa mandrak’ity ny androany tsy misy tohiny. Fa ahoana ? mbola ao sa tsy ao ? Manao fifanarahana amin’ny fitondrana ireo matoa ao. Tsy manaikyny fahefana lova tsy mifindra isika, tsy ana fianakaviana iray Antananarivo, hoy hatrany i Jean Jacques Ratsietison.
Toky R
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny