Jean Jacques Ratsietison, raha tazana teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC omaly. Ny mahagaga, hoy izy, dia mbola tsy fantatry ny foiben-ketra na “impôt” any amin’ilay fanamarinan-ketra na “attestation fiscale” hoe inona ilay taratasy tokony omena ny kandida. Raha andoa vola ianao dia hoe mitondrà aloha dika mitovin’ny kara-panondro voamarina dia hoento ilay vola fa mety tsy ampy izay. Efa manomboka nefa ny fisoratana anarana amin’ny firotsahan-kofidiana ho filoham-pirenena. Tsy vonona ny fanjakana no dikan’izany na tsy mahay miasa. Tsy nasaina izahay tamin’ilay sata mifehy fitondran-tena na “Charte de bonne conduite” an’ny FES. Tsy hanao sonia zavatra tsy fantatray izahay. Tsy mbola misy dosie mipetraka izao ato amin’ny HCC (TTF: hatramin’ny omaly tamin’ny 11 ora sasany). Tsy misy idiran’ny HCC ilay izy fa ny governemanta no mametra hoe izao no zavatra omen’ny sampan-draharahan’ny hetra na “service fiscal” ny kandida amin’ny fifidianana filohan’ny repoblika. Mandray dosie fotsiny tsinona no anjaran’ny HCC dia miteny hoe feno izany na tsia. Tokony hiteny ny HCC amin’ity taona ity mikasika an’io andininy faha 42 io. Ny valiny nomeny farany teo tsinona mikasika ny fitarainana tamin’ny 2018. Marina ny azy raha iny satria tsy nahafantatra izy tamin’izany. Nisy nanao fadisoana ny fanjakana tamin’izany satria ny tribonaly tomponandraikitra na “tribunal d’instance” rehetra tokony manontany ny kandida hoe ianareo ve manana zom-pirenena hafa? Ahoana no fomba nahazoanareo azy? Raha niniana natao na “acte volontaire” no nahazoana zom-pirenena na “nationalité” hafa tonga dia mihatra ny andininy faha 42. Tsy mahazo milatsaka ilay olona. Tokony manao an’izay koa ireo tribonaly ireo amin’ity! Tsy toy ny tamin’ny 2018 fa efa mahafantatra izao ny HCC! Tsy afaka miala intsony ny HCC fa tsy maintsy miteny! Tsy tokony ho afaka manao kandida intsony i Andry Rajoelina, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
nambaran’ny filoha frantsay Emmanuel Macron, omaly alakamisy 24 Aprily 2025,
Ny 37,5%n’ny vola miasa amin’ilay tetikasa Volobe moa izany no hoe hovatsian’ny fitondràna frantsay
Henjana sy nahitsy ny Filoha Kaomorianina tao anatin’ny lahateniny tao anatin’ny Fivoriamben’ny COI sady
Manoloana ny fitsidihana arapanjakana hataon 'ny filoha frantsay Emmanuel Macron
Mahafinaritra ny mahita ny tanàna madio sy milamina, hoy ny Kristianina
Tanterahana eto Madagasikara anio 24 aprily 2024 ny Fivoriamben’ny COI na Vaomieran’ny