nitafa taminy teny Ambohitrimanjaka androany momba ny hetsika hatao eny amin’ny kianjan’ny 13 may ny sabotsy 4 novambra ho avy izao. Izahay Kandida nohitarika ny vahoaka , aza mankeny raha tsy hitanareo eny izahay, hoy izy. Nambaran’i Jean Jacques Ratsietison fa tsy mbola nisy nangataka alalana hidina an-dalambe izany teto Madagasikara nanomboka ny taona 1972 mandrak’ankehitriny . Misy fifanarahana iraisam-pirenena nosoniavin’i Madagasikara , hoy izy manome alalana ny olom-pirenena hidina am-pilainana an-dalabe sy hanao fitakiana am-pilaminana.Tsy misy lalàna mahasakana izany eto. Na inona na inona lalàna ambara dia io fifanarahana iraisam-pirenena io izay nosoniavin’i Madagasikara no ambony. Manarak’izay diso, hoy izy ny filazana fa faritra mena Analakely, eo aza misy olona mivezivezy isan’andro ka nahoana no lazaina fa faritra mena. Eny amin’ny lapan’Ambohitsorohitra izao efa nambara sy fantatra fa faritra mena ka sady misy miaramila miambina no tsy azo ivezivezen’ny rehetra araka izay itiavana azy izany. Izahay no lohalaharana hitarika ny olona , tsy mahafaty izany ny lakrimozenina, fa mampitomany fotsiny, ka andao mba hiaraka hitomany amin’ny 13 may, hoy izy.Aza matahotra izany fa tongava ianareo, fa tsy misy haninona antsika eny .Izahay tsy hanao tahaka an’i Andry Rajoelina hoe miantso vahoaka fa avy eo lasa mody any an-tranony, izahay mihitsy no ho tonga eny hitarika ny vahoaka koa dia amin’ny sabotsy no fotoana eny amin’ny kianjanny 13 may izany hoy Jean Jacques Ratsietison
RTT
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,