hoy Atoa Jean Louis Rakotoamboa, Mpikambana eo anivon’ny RMDM. fa ny tena marina dia matahotra izy tamin’ireny zavatra nataony tamin’ny tetezamita ireny. Fomban’ny olon-drehetra izay manana zanaka mianatra any ivelany ny mangataka “Visa de long séjour” , maninona no tsy nety taminy izany, ary maninona no tsy ny zanany irery fa izy ihany koa nijoboka nanao izany nefa mbola andeha hilatsaka hofidiana Filoham-pirenena eto Madagasikara? Fantany tsara ny lalàna eto, ny lalàmpanorenana dia mazava fa tsy mahazo mirotsaka hofidiana izay tsy manana zom-pirenena Malagasy, ary ny lalàna momba ny zom-pirenena dia milaza fa raha maka zom-pirenena vahiny amin’ny nahim-po ao anatin’ny maha efa feno taona dia very ho azy ny zom-pirenena. Tsy nosoratsoratam-poana ireny andininy faha-42 amin’ny lalàna momba ny zom-pirenena ireny, hoy izy. Nambarany, fa fiarovan-tena noho ny afera maloto tamin’ny tetezamita no mety ho antony. Tamin’ny fitondran’ingahy Ravalomanana tsy nisy izany trafikana boaderozy izany, ary tahaka izany ihany koa tamin’ny Fitondrana Rajaonarimampianina, fa tamin’ny fitondran-dRajoelina ny tetezamita izay nanana fahefana tahaka ny emperora, dia nibanaka ny boaderozy, hoy Atoa Rakotoamboa Jean Louis. Nambarany fa tsy nisaina ny fivoahany teto, fa rehefa niditra tamin’ny seranana iraisam-pirenena dia tsy maintsy isain’ny olona hoe: izao isa ny boaderozy avy any Madagasikara. “Tamin’Atoa Hery Rajaonarimampianina tamin’izy minisitry ny fitantanam-bola tamin’ireny, dia nilaza tao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) ary ny tenako anisan’ny nanao “interpellation” azy tamin’ny 500 tapitrisa dolara vidin’ny boaderozintsika lasa any ivelany, ary azonareo anontaniana ny Banky Iraisam-pirenena”, hoy Atoa Jean Louis Rakotoamboa. Ny fitondran’ingahy Andry Rajoelina nilaza fa miady amin’ny trafika kanefa na izy tao ambadika na izy tsy niady fa niray tsikombakomba, ka diso ny filazana fa niady tamin’ny trafika izy fa nanamora aza, hoy hatrany Atoa Jean Louis Rakotoamboa. Azo jerena ny tranonkalan’ireo ONG Amerikanina dia ny Global witness sy ny Environnemental Investigation Agency izay nilaza fa ny Fanjakana Malagasy no nampanao ny trafika, fa tsy izahay no mamorona, hoy Atoa Jean Louis Rakotoamboa nanamafy.
Toky R
Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny
Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?
Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,
Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,
Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika