Ny praograma anatin’io, hoy izy, no tokony novolavolaina tao anaty fitondrany dia avy dia iny no nampiasaina. Zavatra azo tanterahana, vatsiana vola, hindramam-bola rehefa eo amin’ny fitondrana izy. Ny azy tonga eo amin’ny fitondrana izy dia mbola nanonofy indray. Tamin’izy tsy teo koa fat any ivelany anefa efa nanonofy. Jereo ireny nanao atrikasa na “colloque” tany atsimo. Nanao fikaonandoham-pirenena momba ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Izaho indray manonofy hitady biby isan-karazany ho alefa aty sy sahala amin’izay. Izao vao namboamboarina ho praograma ilay nofinofy. Tsy azo notanterahana tao anatin’ilay fotoam-piasany nefa ny nifidianan’ny vahoaka azy dia ny hanatanteraka anaty fotoam-piasany. Ny olan’ny olona eto anefa no tokony hanaovana praograma ny hamahana azy haingana fa tsy hanonofy zavatra tsy azo iainana eto. Hanonofy angidina, zirafy, liona koa angamba. Hita amin’ireny fa tsy tokony hitondra firenena mihitsy izy. Raha izaho ny filoham-pirenena miala haingana dia mitsoaka fa maha menatra olona ilay zavatra ataony eto. Rehefa fanofinofisana no hainao dia mandehana manonofy any amin’izay tokony hanaovana izany sahala amin’i Miami na “Pole nord” na “Pole sud”, hoy hatrany ny tenany, aloha.
J. Mirija
Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny
Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?
Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,
Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,
Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika