Isan’ny tiako avoitra ao anatin’izay, hoy izy, ny hoe ambetin-tenin’ny olona rehetra ankehitriny ny hoe fifidianana madio sy mangarahara. Rehefa mangataka ny handravana ny CENI sy HCC isika dia efa miala foana amin’ny lalampanorenana. Aleo hanapitra ny fe-potoam-piasany ny filoham-pirenena ankehitriny dia miroso amin’ny fanarenana ny firenena isika. Hitantsika ny takaitra izao fa niakatra ny rano raha nisy rivodoza nandalo teo. Nisy takaitra noho ny fahatapahan-dalana, ny Coronavirus, ny zava-misy maneran-tany mampiakatra vidim-piainana. Misy dikany daholo ireny fanehoan-kevitry ny FFKM sy ny masoivoho frantsay ary ny mpanohitra ireny fa izaho manokana dia mangataka hoe avelao aloha hamita fotoam-piasana ny filoham-pirenena, izany hoe, hatramin’ny janoary 2024, vao miverina miady hevitra isika, izany hoe, tsy maintsy miditra tetezamita sy repoblika fahadimy. Misy krizina lalampanorenana eto. Tokony asiana sekoly mampianatra fanetren-tena sy fametraham-pialana ary fitiavan-tanindrazana eto Madagasikara. Resaka lainga daholo no ataon’ny mpanao politika hany ka miteraka fahantram-bahoaka. Tsy azo ihodivirana ny fanovana governemanta satria iza tamin’ireo minisitra ireo izao ilay nirahana hidina ifotony dia tena mba nidina tokoa, ohatra? Tsy tokony hiroso amin’ny fifidianana isika amin’ity taona ity. Tsy zakan’ny sain’ny malagasy sy ny zava-misy ankehitriny izany. Ny fanarenana ny sosialy toy ny lalana aloha no atao. Aorian’ny 25 janoary 2024 isika tokony hijery hoe ahoana no hanarenana io lalampanorenana io. Ahoana no hampidirana ny fihavanana, ny fahatahorana an’Andriamanitra ary ny fandraisan’anjaran’ny fokonolona amin’ny fiainam-pirenena ao anaty lalampanorenana? Izany no tokony heritreretintsika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,