Fotoana izao handraisan'ny malagasy andraikitra maha olompirenena, hoy izy. Miaina anaty tahotra sy horohoro ianao amin’izao fotoana, ka Aza misafidy horohoro sy tahotra intsony raha tianao hiova i Madagasikara, izay no hevitro hoy ny Jeneraly Ramakavelo. Efa tany amin’ny repoblika voalohany ao no niasa, hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena teo aloha sady mpandalina tantara, ny jeneraly Désiré Ramakavelo. Mbola eto aho, hoy izy, izao repoblika faha 4 isika ary afaka manao fampitaha mihitsy ireo repoblika miisa 4 nodiavin’i Madagasikara. Azo lazaina ho isan’ireo lohalaharana mihoatra amin’ireo firenena nozanahan’ny frantsay taty Afrika isika tany amin’ny repoblika voalohany. Tonga ny repoblika faharoa, niezaka isika handray an-tanana ny toekarena. Aleo ny malagasy no mitantana satria ny firehan-kevitra napetraka dia nalaina tamin’ny an’ny koreanina hoe tsy miankina afa-tsy amin’ny herin’ny tena. Niezaka koa ny repoblika faha 3 hamantatra izay tena zava-mitranga eny ifotony ary nahatonga ny filoham-pirenena tamin’izany fotoana izany tena nitety an’i Madagasikara. Tapany voalohan’ny repoblika faha 4, ohatrany mbola nety ny fiainan’ny firenentsika ary na tao anatin’ny tetezamita aza tsy nisy fanampiana avy any ivelany fa toa tafavoaka ihany ny malagasy. Hita mihitsy ankehitriny fa tena nihen-daja ny zava-misy ankehitriny, raha mitaha amin’ireo repoblika miisa 3 talohany. Ny fahapotehan’ny lalana manginy fotsiny. Fidangan’ny fiainana tsy hita pesipesenina. Ny tsy filaminana manginy ihany koa. Ny lafiny miiba no betsaka. Laharana faha 124 amin’ny 125 firenena ankehitriny i Madagasikara amin’ny lafiny fampandrosoana, raha ny filaharana iraisampirenena. Madagasikara io nefa isan’ny firenena manana harena voajanahary betsaka indrindra tsiriritin’izao tontolo izao. Anjarantsika no miheritreritra hoe fa maninona isika no mahantra. Isika malagasy 30 tapitrisa no tompon’antoka amin’ny hoavintsika. Tsy ankinintsika fotsiny amin’ny mpitondra. Inona no mba azonao atao? Rehefa manaiky isika ho potehana, hitsahana hatrany an-tampon-doha, ho mpangataka, hihorohoro, miankina amintsika izay. Io fifidianana io no ahafahana manova. Mbola mety ho latsaka ambany noho izao ve ity Madagasikara ity, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija
Miankina amin’ny mason-tsivana moa no antony ilazàna hoe nitotongana na tsia ny demokrasia
Tafaresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana, momba ny raharaham-pirenena sy ireo
Tsy misy andro iray mandalo eto ka tsy andrenesana hoe nisy fivoriana, atrikasa, famelabelaran-kevitra, fiofanana.
Manome vahana ny mpanao didy jadona ny fahanginan’ny vahoaka»
Potika ny fanaovana politika eto Madagasikara, raha ny fihetsika politika na
Nahafahana nitsapa tsara ny alalin’ny rano eo amin’ireo mpitodra fanjakana eto madagasikara sy ny mpomba azy