airtel

Politique

08-févr-2023

Politique

Jeneraly Tsaranazy Jean Emile “Tokony hiala ambany vahohon’olon-tokana ny Filoha”

Sample post image

Nisy hetsi-bahoaka namoizana ain’olona maro ny 7 febroary 2009, 14 taona lasa izay, hoy ny minisitra teo aloha, ny Jeneraly Tsaranazy Jean Emile.

08-févr-2023

Matoa ilay olona nihetsika dia nisy zavatra tsy tantiny tao, hoy izy, ka raha mbola azo henoina ny feon’ny vahoaka dia mino aho fa azo ialana koa ny hetsi-bahoaka toy ireny. Amin’izao vanim-potoana iainantsika izao izany dia naneho ny heviny teny amin’ny antenimieram-pirenena ny solombavambahoaka tamin’ny alalan’ny fitsipaham-pitokisana na “motion de censure”. Hoy aho hoe raha manohy tsy mihaino ny vahoaka ny mpitondra dia hatahorana hiverina daholo ireny hetsika 1972, 1991, 2002, 2009 ireny. Raha tsy mailo ny fitondrana ankehitriny dia tsy ho hay tantanana intsony ny toe-draharaha eto Madagasikara. Nanomboka ny janoary 2019 no efa teo an-tanan’ny fitondrana amin’izao fotoana izao ny fanomanana ny fifidianana mba hisiana filoham-pirenena vaovao na fiverenan’ny efa eo amin’ny 19 janoary 2024. Nanana 5 taona izy izany mba hanomanana fifidianana hifanaraka amin’ny tetiandro voalazan’ny lalampanorenana. Raha ny mpitondra no tsy hanaja lalampanorenana dia mazava ho azy fa fanjakan’I Baroa, izany hoe, korontana no hisy eto satria ny lohany no tsy manaja lalampanorenana. Maika ny famenoana ny toerana banga ao anaty governemanta amin’izao fotoana izao. Banga ny toeran’ny minisitry ny raharaham-bahiny, maninona no tsy soloina? Ho banga izao ny toeran’ny minisitry ny fitaterana izay ho lasa filohan’ny filankevitry ny ASECNA. Izy no nangataka an’io matoa lasa any. Mazava ho azy fa efa naman’ny nametra-pialana izy. Efa tokony ho soloina io. Misy ihany fahaizana miara-miasan’ny ekipan’ny governemanta. Tokony esorina koa izany izay tsy mahay miara-miasa amin’io governemanta io satria ho avy ny fifidianana ka olona tokony hahay hiara-hirona hiatrika izany no ho ao anatin’izao fitondrana izao. Tokony hanana hazon-damosina ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Ny tsapan’ny olona izao dia misy olona vitsivitsy na iray fotsiny aza mibaiko ny filohan’ny repoblika ary mitondra ny firenena nefa olona tsy voafidim-bahoaka. Tokony hanana hazon-damosina hiala amin’ny vahohon’ireo olona vitsivitsy na tokana mihazona ny fahefana eto Madagasikara ny filoham-pirenena, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap
21-mai-2025

Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »

Card image cap
21-mai-2025

Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena

Card image cap
20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap