airtel

Politique

02-juin-2023

Politique

Jerry Rakotoarijaona «Samy hafa ny fihetsiketseham-bahoaka sy tolom-bahoaka»

Sample post image

Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.

02-juin-2023

Mbola variana amin’ny fiatrehana fiainana ny olona ary izany fidinana an-dalambe izany midika fifehezan-tena goavana, hoy izy. Izao ve no mbola hiampy fifehezan-tena sy fihafiana indray? Tsy hisy ho resy lahatra amin’izany. Faharoa, eo koa ny mpitarika. Tsy ny olona rehetra no hahasarika hitarika ary tadidio fa ny tambazotran-tserasera dia azo hakana «j’aime» an’aliny fa ny olona hihaino anao aty amin’ny tena fiainana mety ho 20 sy 25 isa. Mifantoka kokoa amin’ny fifidianana ny olona dia hoe aza korontanina intsony! Samihafa ny fihetsiketseham-bahoaka sy tolom-bahoaka. Oviana moa no nisy fihetsiketseham-bahoaka teto Madagasikara ka tsy nisy mpitandro filaminana? Rehefa tena tapa-kevitra nefa ny olona fa tsy foroporonina na karamaina dia tsy ho voatazon’ny mpitandro filaminana izany. Izany daholo no zava-nisy na tamin’ny 1991 na 2002 na 2009 na 2018, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap