Tsy fahaizana mandrafitra laharam-pahamehana, hoy izy, no mahatonga ny hoe izao vao ho atao laharam-pahamehana izany. Nalefa tamina zavatra hafa ny vola rehetra dia izao fanina amin’izay. Tena lera tokoa izao fa tsy leralera fahatany anefa fa lera hijerena ny tombontsoam-bahoaka. Leralera fahatany ny ohatra hoe hanao tetezamita na fitadiavan-tseza. Ny ahy dia hoe ahoana no hitsinjovana ny vahoaka madinika sy ny tombontsoam-pirenena? Izay no nandaniako fotoana sy vola tamin’ny tetezamita teo niantsoako ny manam-pahaizana rehetra. Na fifidianana na iza na iza ho avy eo rehefa tsy ovaina ny rafitra dia tsy ho tafavoaka mihitsy ity firenena ity. Ovaina ny lalàna rehetra sy ny lalampanorenana. Tsy azo atao intsony, ohatra, ny hoe olona manana zom-pirenena hafa ankoatran’ny malagasy no atao filoham-pirenena. Tsy mitsinjo ny tombontsoam-pirenena izany fa ny tombontsoan’ilay olona manokana raha manana zom-pirenena hafa. Fifidianana lalàna aloha no tokony atao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny
Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »
Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny