airtel

Politique

04-janv-2024

Josephin Andriandrainarivo

“Anaty toe-tsaina tia tanindrazana no andeha hiarovana ny antsika!”

Sample post image

Toy ny sehatra misedra olana rehetra eto Madagasikara ny fitsaboana

04-janv-2024

nentim-paharazana eto Madagasikara, hoy ny filohan’ny ANTM na fikambanam-pirenena momba ny fitsaboana nentim-paharazana eto Madagasikara, Josephin Andriandrainarivo. Samy niaina ny niainany azy tany tsy nisy resaka voahenjika etsy sy eroa izy fahiny, hoy ity filoha ity. Rehefa nitsoaka ny rivotra avy any amin’ny fikambanana iraisampirenena momba ny fahasalamam-bahoaka nanomboka ny 1978 tany ho any hampiditra ity sehatra ity ao anatin’ny fehezan-dalàna momba ny fahasalamam-bahoaka dia isan’ny firenena iray niroso tamin’izany isika. Tany amin’ny 1993-1996 hatraty amin’ny 2007 izay nametrahana ny lalàna fankatoavana ity asa fitsaboana nentim-paharazana ity eto Madagasikara dia somary nihazakazaka ny toe-draharaha. Nipetraka ny fifanarahana lasitra ka ny fanjakana ihany no nanangana ity ANTM ity ary iarahana amin’ireo fikambanana iraisampirenena toy ny OMS. Vita izay dia nampidirina tao anaty sata vaovao mifehy ny fahasalamam-bahoaka na “code de santé publique” izany ny taona 2011. Nanomboka nitady hifangaro tato amin’izay ny akoho sy ny vorona rehefa nanomboka niha nalaza ilay izy. Neritreretin’ny olona atao bizna sahala amin’ireny zava-maniry atao tantely afa-drakotra any anaty ala ireny. Misy lalàna mifehy tontolo iainana sy ala nefa eto saingy na dia niezaka aza ny mpitondra nifanesy teo dia betsaka ny mbola gaboraraka mitranga, indrindra fa ny amin’izao fotoana. Ny fositra tsy atao tsy ambolem-boavary nefa, hoy ny fitenenana. Any ambanivohitra any, indrindra, no tena mbola feno olompirenena miantehitra amin’ny fitsaboana nentim-paharazana. Raha hiresaka tomban’ny taona 2023, noho izany, isika dia mitaky fampivondronana sy fampiraisan-kina ireo mpisehatra rehetra ity taona 2024 ity. Nezahana natao izany ny taona 2023 ka nanatanterahana ireo fivoriana fanao mahazatra. Ohatrany jerem-potsiny ireo manaotao foana anatin’ity sehatra ity satria mialokaloka amina toerana sy firehana politika sy fahafantarana olona ambony. Izany no manjo anay ato ka antony iantsoanay hoe andeha isika hiray hina. Tokony hiaro ny antsika izay tokana aman-tany isika satria ny 80%n’ny zava-maniry fitsaboana eran-tany, ohatra, dia eto ary anaty toe-tsaina tia tanindrazana no andeha hiarovana ny antsika! Ampiasao ny “protocole de Nagoya” izay efa nosoniavin’i Madagasikara! Ireo tena manao ny asana indray no voahenjika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap
22-mai-2025

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

Card image cap
22-mai-2025

Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Card image cap
22-mai-2025

Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay

Card image cap
22-mai-2025

Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa

Card image cap
21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap