fotoana izao, ary io no isan’ny handanian’ny mpitondra ron-doha ankehitriny. Tao anatin’ny fanolorana ireo mpikamban’ny governemanta ny 14 janoary, dia efa niresaka ny fifidianana depiote hikendreny ny maro an’isa ny Filoham-pirenena. Teo no efa nivoaka ny petra-kevitra fa mety ho governemanta hanomana fifidianana aloha izany ny tena fanamby, ka mety afaka 6 volana dia hisy fiovan’endrika. Nandeha ny resaka fa mety hirotsaka kandida depiote ny Praiminisitra ary hapetraka ho Filohan’ny Antenimierampirenena ? Hatreto aloha, misy tokoa ny anarana mpikamban’ny governemanta re siosio fa mety ho kandida depiote, ka andrasana hoe : ho izay tokoa ve ny ho fipetrany sa hanao ahoana ? Anisan’ireny ny anaran’ny Minisitry ny fanabezam-pirenena Rtoa Sahondrarimalala Marie Michelle izay mety ho kandidan’ny volomboasary ao Fianarantsoa renivohitra. Ny MAPAR sy ny UPAR tao an-toerana izay toa nifanasa vangy saingy mety hikisaka any Ikalamavony sy Ifanadiana izany Atoa Pety Rakotoniaina sy ny ry Governora am-perin’asa izay samy miezaka mampiseho fa tompon’ny tanjaka politika ao an-toerana sy nifofotra nampandany an-dRajoelina. Anarana re fa mety ho kandida depiote ihany koa ny Minisitry ny fampianarana ara-teknika sy ny fanofanana arak’asa Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy izay Filoha mpanorina ny Antoko Freedom, ka ao amin’ny Distrikan’i Faratsiho na Antsirabe I no mety hirotsahany raha ny resaka mandeha. Ity Antoko ity izay efa manana depiote iray ao Tsimbazaza. Re siosio ihany koa fa mety ho kandida any amin’ny Distrikan’i Sambava ny Minisitry ny atitany Atoa Tokely Justin, izay efa governoran’i SAVA tany alohan’ny nanendrena azy ho Minisitra tamin’ny taom-piasan’ny Filoha talohan’izao. Ireo ny anarana minisitra am-perin’asa isan’ny re siosio fa ho kandida, ka andrasana izay ho fisehony hoe : ho tonga amin’izay tokoa ve ? Andaniny mantsy dia misy ilay fanamby 100 andron’ny governemanta ka tena io ve no laharam-pahamehana sa fifidianana depiote ? Ankoatra izay dia misy amin’ireo minisitra tsy tafaverina anaty governemanta ihany koa mety hatao kandida, ka anisany efa nanambara ny firotsahany any Fandriana ohatra ny Minisitry ny angovo teo aloha Atoa Lanto Rasamoelison ,…
SARY EFA NITRANGA…
Hanao izay fomba rehetra hahazoana ny maro an’isa eny Tsimbazaza, mba hananana fahamarinan-toerana ny etamazaoro politikan’ny mpitondra, ka mandeha ny kajikajy samihafa. Eny fa na io anto-bola 20 tapitrisa Ar io aza dia betsaka no mandika azy ho fanintsanana kandida. Efa iny nitsipalotra iny ny filazana fa 120 amin’ny 151 ny toerana kendren’izy ireo ao anatin’izany. Toa mampahatsiahy ilay zava-nitranga nialohan’ny fivoahan’ny valim-pifidianana depiote tamin’ny 2019, izay nilazan’i Andry Rajoelina nialohan’ny fotoana, fa mahazo toerana depiote 83 ny antokony. Mandeha ny endrika ady an-trano samihafa ho an’ireo samy mpanohana satria te hisalotra ilay lokom-pitondrana mba hananana herijika kokoa. Any mantsy ny vola, any ny fahefana, ary ny rafitra mpikarakara sy mpitsara ny fifidianana aza dia hatry ny ela no tratry ny fiampangana ho miandany amin’ny mpitondra. Lojika ve anefa ny ho fahazoan’ny volomboasary maro an’isa raha tena fifidianana madio eo anatrehan’ny fahadisoam-panantenan’ny vahoaka sy ny fihemoran’ny firenena ?
Toky R
Légende : Anarana anisan’ny re siosio fa mety ho kandida depiote ny an’ireto minisitra telo ireto
nambaran’ny filoha frantsay Emmanuel Macron, omaly alakamisy 24 Aprily 2025,
Ny 37,5%n’ny vola miasa amin’ilay tetikasa Volobe moa izany no hoe hovatsian’ny fitondràna frantsay
Henjana sy nahitsy ny Filoha Kaomorianina tao anatin’ny lahateniny tao anatin’ny Fivoriamben’ny COI sady
Manoloana ny fitsidihana arapanjakana hataon 'ny filoha frantsay Emmanuel Macron
Mahafinaritra ny mahita ny tanàna madio sy milamina, hoy ny Kristianina
Tanterahana eto Madagasikara anio 24 aprily 2024 ny Fivoriamben’ny COI na Vaomieran’ny