ho an’ireo Kandida Ben’ny tanana manerana ny Nosy. Hatramin’ny omaly Talata 24 Septambra anefa dia mbola misy ireo tsy naharay ny « mandat » na ilay taratasy manendry azy ho Kandida ao anatin’ny fikambanana na antoko misy azy, raha araka ny fanadihadiana natao. Distrika maro no miaina izany ka anisany ny distrikan’Atsimondrano. Amin’ny ankapobeny anefa dia tokony ho efa eny am-pelatanan’izy ireo izany hahafahany miomana amin’ny fifaninanana izay mbola hoatrehiny, indrindra fa ho an’ireo Ben’ny tanana mbola am-perin’asa ary mbola kandida. Raha araka ity fanadihadiana natao ity hatrany moa dia efa nivoaka efa ela ny lisitr’ireo voatendry ho Kandida Ben’ny tanana na ho an’ny fikambanana izany na ho an’ny antoko. Efa any am-pelatanan’ny Sekretera jeneraly ny « mandat » manendry ireo kandida taorian’izany ary ny solombavambahoaka no mizara izany isaky ny Kaominina ho an’ireo hilatsaka amin’ny anaran’ny antoko. Misy solombavambahoaka mbola milaza ho tsy naharay izany anefa ary milaza fa miandry fandaminana na dia efa tsy mitsahatra ny manontany sy mandodom-baravarana aza ireo Kandida Ben’ny tanana voakasika. Fanontaniana napetrak’ireto araka izany ny hoe : fa dia inona loatra ny fahadisoany no hampijaliana amin’ny ora farany tahaka izao izy ireo ? Ary raha sanatria ka misy fiovan’olona inona moa no antony tsy hampahafantarana izany mba hahafahan’ireo Kandida mandray fanapahan-kevitra hafa ?
Pati
Legende : Mbola betsaka ireo Kandida Ben’ny tanana tsy tonga manatitra dosie eny amin’ny OVEC tahaka izao noho ny tsy fahazoana mandat !
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,