airtel

Politique

21-août-2023

Politique

Kandida I Annick Ratsiraka “Ny ratsy no hanjaka raha tsy hanao ny olona tsara”

Sample post image

Annick Ratsiraka, Sekretera nasionalin’ny Antoko Arema sady zanaka faravavin’ny Filoha efa nodimandry Didier Ratsiraka,

21-août-2023

no kandidan’ny Arema amin’ny fifidianana filoham-pirenena hatao ny 09 novambra izao, araka ny fampahafantarana ofisialy teny Faravohitra ny sabotsy teo. Nisy, hoy izy, ny sori-dàlana efa nentin’ny Filoha Ratsiraka izay misy ny tokony haverina, betsaka ny tokony harenina, ary maro ny zavatra vaovao tokony hoentina. “Koa noho ny fangatatahana natao taminay sy noho ny fitondrana sy fitaizana nataon-dRtoa Céline Ratsiraka sy Didier Ratsiraka Ray aman-dReniko. Izaho ny faravavavy ao anatin’ny fianankaviana, kanefa rehefa tonga ny fotoana ary migadona ny ora, dia tsy maintsy mandray andraikitra. Misy ny lesoka eto amin’ny tanàna, misy ny lesoka eto amin’ny firenena, ka tokony haverina ny hasin’ny firenena sy ny hasin’ny Malagasy”, hoy Rtoa Annick Ratsiraka.. “Misy ny fitenenenana hoe: raha tsy manao na inona na inona ny olona tsara, dia ny ratsy no lasa manjaka”, hoy izy, ka antony iray ihany koa nandraisana fanapahan-kevitra na eo aza ny lesoka momba ny fikarakarana fifidianana. Anisan’izany ny ilay anto-bola 200 tapitrisa Ar , saingy nambarany fa tsy maintsy miroso. “Manahirana ny mieritreritra an’io resaka vola io satria raha ny tena izy, ao anatin’ny demokrasia dia natao ho an’ny rehetra ny fifidianana, ny rehetra no tokony ho afaka milatsaka, saingy io no fanapahan-kevitra noraisin’ny ao anatin’ny fitondrana amin’izao dia tsy maintsy mivonana amin’izany ny Antoko Arema, ary mivonona amin’izany ny tenako izay kandida” , hoy hatrany Rtoa Annick Ratsiraka. Betsaka, hoy izy, ny zavatra manahirana, kanefa iaraha-mahalala, fa raha olon-tokana no milatsaka eo, ka na ny tenany irery aza no mifidy azy dia lany 100%. “Tsy maintsy maneho ny hevitray izahay, tsy maintsy mampilaza ny olona, ary mamerina ny fanantenan’ny Malagasy amin’ny zavatra azo atao”, hoy ny Sekretera Nasionalin’ny Arema. Naneho izy fa ny Firenena dia avy amin’ny hoe: Reny, ary renim-pianankaviana no mahalala ny zava-misy ao an-tokantrano sy ny zavatra tokony hatao voalohany. Fihavanana amin’ny endriny telo no hitondran’ny Arema ny foto-keviny: dia Malagasy mihavana amin’ny taniny, fihavanana eo amin’ny samy Malagasy satria misy tsy fitovian-kevitra niainga tany amin’ny taona 1972, 1991, 2002, 2008,… ary Malagasy mihavana amin’izao tontolo izao. Nilaza fa miomana amin’ny fampielezan-kevitra, ary vonona, efa niroso tamin’ny zavatra maro. Eo anatrehan’ny fisiana fianankaviana Ratsiraka samy mirotsoka, dia nambarany, fa samy manana ny antokony ary samy mahaleotena izy sy Atoa Roland Ratsiraka ao anatin’izay hazakazaky ny fifidianana Filoham-pirenena izay.
Toky R
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap