airtel

Politique

18-août-2023

Politique

Kandida sy ny vinan’ny FTT Efa niomana hatramin’ny taona 2010

Sample post image

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

18-août-2023

ny kaongresy nasionaly ny zoma 11 aogositra lasa teo tany Fianarantsoa, hoy ny kandida ho filoham-pirenena sady filoha mpanorina ity antoko politika ity, Tahina Razafinjoelina, nampahatsiahy omaly. Nanoloana ireo mpizaika manodidina ny 3000 isa avy amin’ny lafivalon’ny nosy no nanolorana izany, hoy izy. Nitsodrano ahy mba hahavita be amin’ny vina tsara ananany ho an’ny firenena ireo solontenan’ny Raiamandreny tao Fianarantsoa. Nahitana ireo mpiaradia politika maromaro ihany koa tany an-toerana. Mbola nohamafisiny tao Ambositra sy Fandriana ary Antsirabe izany fahavononana izany. Vonona efa nanomboka ny taona 2010 ny vinan’ny Firaisankinan'ny Tia Tanindrazana matoa mirotsaka ho fidiana ary miroso ny fametrahana ireo toeram-piasana isam-paritra sady toeram-panofanana nomerika ihany koa. Tahaka ny ao Fianarantsoa sy Antsirabe, sy any amin’ny faritra hafa manerana ny nosy, hoy hatrany ny fampitam-baovao sy fanamafisan’ity kandida ity izay fahavononany izay.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap